NY HIRA

Feon-kira sy tononkira, ravahina feo manga no manome hira. Manana ny anjara toerany ny hira teo amin'ny fiaraha monintsika hatramin'ny taloha ka hatramin' izao, manana ny andraikiny ny hira amin'ny vanim-potoana  samihafa, manomboka eo amin'ny fahaterahana, fahazazana, hatanorana, fahanterana, fahafatesana sns.

 Mbola kely ny zaza dia efa misy sahady ny hira fanao rehefa handrotsirotsy azy hatory, toy ny hoe: « Iny hono izy ravorombazaha ». Rehefa tonga ny ririnin-dahy fotoana fanaovana famoran-jaza dia tsy mihataka ny hira. Eo amin'ny finoan'ny Ntaolo razantsika dia mbola mitovy ny zazalahy sy zazavavy raha vao teraka. Fa aorian'ny famorana vao miavaka sy miseho ny mahalahy ny zaza satria miaritra ny mafy sy miatrika fitsapana. Misy ny hira toy ny “Didim-poitran'ny zazalahy raha tsy izany tsy lehilahy". Fomba fanao rehefa famoran-jaza ny maka ranomasina hitsofan-drano ny zaza sy ranomahery hanasana ny fery.  Mazava ho azy fa tsy maintsy mihira sy mandihy eny an-dalam-be rehefa maka ireo, toy izao ny hira fanao:  “O lay mahery, Tsy  ho azon-tsampona ho aho ilay mahery”. Mandra-pahatongan'ny ranomahery sy mandra-pahatapak'ilay biby kely no hanaovana ny hira. Mialoha ny fandidiana indray dia tsy maintsy mbola hafanaina ny lapa ary hampandihizina ny zaza, ny anton'izany dia hampatanjaka ny zaza. Mandritra ny fandidiana dia vao maika hatevenina ny hira sy ny lamako mba hampihena ny fanaintainana.

Fomba fanao fahiny ihany koa ny mampilalao ny ankizy rehefa diavolana ny andro. Misy ny fitenenana manao hoe "izay tsy milalao sain-kanina", mahazo laka mandritra ny lalao diavolana ny hira sy dihy samihafa. Ho an'ny tovovavy kely indray dia misy ny antsoina hoe fampitaha, hifaninanan'ny tanora mifanakaiky, ankoatra ny fampiderana fitafy sy fihetsika dia ao dia ao ny hira sy ny dihy.  

Rehefa tonga ny hatanorana dia vao mainka manana ny toerany ny hira na eo amin'ny asa aman-draharaha na eo amin'ny fanehoan-kevitra na fampitana ny fihetseham-po. "Ny asa atao an-kira hono toa vita tsy natao" natao hankahery eo amin'ny asa ny hira, misy ireo hira fanao rehefa miandry fody, mitari-bato, manasa lamba sns. Ny miaramila sy ny mpiandry vavahady dia manana ny hira fanaony ihany koa, santionan'izany ny hiran-dRajoro manao hoe: “E diavolana”, fanaon'ny miaramila tamin' ny faha mpanjaka. Natao ho fanehoan-kevitra ihany koa ny hira indrindra taty aoriana, ny fiaraha-monina tsy nitsaha nivoatra. Nampiasaina ireo hira hilazana ireo tranga tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy. Tamin'ny andron'ny fanjanahan-tany dia tany anatin'ny teatra no nahenoina ireo hira mitanisa ankolaka ny tsy rariny nataon'ny vahiny toy ny hira: “Ray fody an'ala, Ankamatatra”,sns Nanana anjara biriky be dia be ny hira teo amin'ny fanefena ny sain' ny tia tanindrazana tamin'ny 1947, dia toy izany hatrany tamin'ireo vanim-potoana nisian'ny fanovana teto amin'ny firenena toy ny tamin' ny 1972 (hira Mahaleo) , sns.

Fa tsy latsa danja amin'ny efa voalaza ny hira maneho fihetseham-po, toy ny fitiavan-janaka, ray aman-dreny havana aman-tsakaiza, zava-boahary, tanana na tany niaviana. Toy ny any amin'ny firenen-drehetra dia mahazo vahana ny hira momba ny fitiavan'olon-droa, izay azo zaraina roa mazava dia ny fiarahana sy ny fisarahana, ivalamparan'ny mpamoron-kira nandritra ny vanim-potoana maro ny mikasika ny fitiavan'olon-droa. Raha ny teto amintsika dia tsy mijanona amin'ny fanehoam-pitiavana fotsiny fa voatsinjo hatrany ny fitandroam-pihavanana izay sarobidy tokoa teo amin'ny fiaraha-monina nisy teo amintsika.  

Fantatry ny mpamoron-kira ireo teny fototra toy ny "fihavanana no talohan'ny fanambadiana" sy ny "fanambadiana tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana". Tsy mba fanaon'ny mpamoron-kira matotra ny manao tononkira mamoafady, fa misy hatrany ireo kilalaon-teny na sary hanehoana izay tiana hampitaina. Tsy teo amin'ny velona ihany no manana ny toerany ny hira fa misy koa ireo natao hanomezam-boninahitra ny maty. Amin'ny finoan-drazantsika, ny olombelona rehefa maty dia lasa razana ary tsy misaraka fa manjohy hatrany antsika velona. Tsy mahagaga raha misy ny hira atao rehefa fiandrasam-paty. Ny hevitry ny fiandrasam-paty

Fomba efa fanao hatrizay izy io, indrindra fa ny alina mialoha ny fandevenana. Tsy fombantsika ny mandevina avy hatrany raha vao maty ny olona, fa tsy maintsy andrasana indray alina farafahakeliny sao mbola mifoha. Ny fiandrasam-paty ihany koa dia manomana ny fialan' ilay maty aty amin'ny tontolon'ny velona mankany amin'ny tontolon'ny maty sady natao hanamafisana ny fihavanana eo amin'ny samy velona, ary farany alina natao iarahan'ny fianakaviana sy ny havana aman-tsakaiza farany amin'ilay maty. Mazava ho azy fa ny hira no mibahana ao amin'ny fiandrasam-paty, tany aloha tany mbola tsy tonga teto Madagasikara ny fivavahana kristiana dia hira mitory fihavanana sy fifankatiavana no hiraina amin'ny fiareta-tory, taty aoriana dia niova tsikelikely ho hira sy vavaka ary toriteny.  

Amin'ny famadihan-drazana

Kolontsaina mampiavaka antsika ny famadihan-drazana, azo sokajiana ho roa ny famadihana dia ny famonosan-damba ny razana sy ny fampodiana am-pasan-drazana ireo havana maty nalevina tany an-toeran-kafa. Rehefa tonga ny fotoam-pamadihana dia tsy maintsy misy ny hira sy ny dihy, ny famadihana rahateo dia lanonam-pifaliana. Ventesina mafy ny hira hanaitra ny ao am-pasana, hanehoana amin'izy ireo fa tonga ny velona hamono lamba azy na koa tonga ireo havany maty tany lavitra hiara-hiray karandoha amin'izy ireo. Ireo razana avy lavitra dia entina manodidina im-pito ny fasana ao anaty hira sy dihy no hanaovana izay mba ahafantarany ny toerana vaovao hisy azy. Ny fahendrena kendren'ny famadihana dia ny fanajana ireo havana maty sady fanamafisana ny fifankatiavana eo amin'ny samy velona. Tsy mahagaga raha hira mitory izany no fandre rehefa famadihana.

Voaporofo fa tsy afa-misaraka amin' ny fiainantsika ny hira na an-kasoavana na an-karatsiana na eo amin'ny asa aman-draharaha andavanandro.

 

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2022-04-12.

Miverina
footer-frame