Tao amin’ny “Royal missionary college” no natao ny
fanadinana voalohany, izay natrehan-dRadama sy Hastie. Notronin’ny
manamboninahitra sy ny andriambaventy ary ny havan’ny Mpanjaka sy ny vahoaka
marobe. Nilamina sy nadio ny mpianatra ka vakivava hatramin’ny Mpanjaka no sady
nilaza fa anisan’ny hitsarana ireto mpianatra ny zavatra hitan-drizareo..
Taranja maro no nianaran’ireto mpianatra sy nanadinana azy ireo: gramera,anglisy
sy jeografia, artimetika nisy “fraction” tsotsotra, famoronan-dahatsoratra.
Samy voavalin’ny mpianatra avokoa izay nanadinana azy , hatramin’ny
katakizin’ny Dr Watts.
Nantsoina hoe “Ny roambinifololahy”, ny kilasy voalohany tao
amin’ny kolejy. Ny roambinifololahy dia nahitana an’I Rakotobe, zanaky ny Printsy
Ratefinanahary sy ny Printsesy Rabodosahondra, anabavin-dRadama, Raharolahy, Ratsimandisa, Ralemaholy,
Rasatranabo, Ramaka, Ratsisetraina, Ramaka, Raboana, Rasoanitsiriana,
Ratsitohaina.
Nitsidika ny kilasy faharoa no sady nampanao fanadinana tao
Radama ka gaga fa tsy ambakan’ny kilasy voalohany ny sasany tamin’ny mpianatra
tao. Tena nahavoa sora-tononina tamin’ny teny Malagasy sy anglisy ny mpianatra
ary nahafolaka tsara ny fitenenana ny teny anglisy. Ny kilasy voalohany sy
faharoa ihany moa no nanoratra tamin’ny kahie fa ny kilasy fahatelo , izay
mbola nadinika dia tamin’ny solaitra ihany.