Efa nanomboka ny taona 1828 no nilana vanony ny misionera
teto. Ny volana desambra 1828, dia nalaina ho miaramila ny mpianatra zokiny
indrindra tao amin’ny Kolejy., ary ny volana febroary 1829 dia noroahina ny
dokotera Lyall.
Ny alahady 5 aprily 1829 no namoriana, tao Ambodin’Andohalo
ireo misionera.ka notaterina tamin’izy
ireo ny tenin’ny
Mpanjakavavy izay manao toy izao: ”Efa ela
izao no nahatongavanareo ary efa be ny vitanareo, nefa ianareo olona
manan-kavana sy tanindrazana, koa raha tsy misy intsony ny vaovao
ampianarinareo, dia ‘ndeha itsy izy mody fa ny tenanareo mba malahelo
tanindrazana ihany. Ary ny havanareo koa mba malahelo anareo”.
Toy izao kosa no navalin’ieo misionera ny hafatry ny
Mpanajakavavy: “Lazao ny Mpanajakavavy Tompokolahy fa raha mbola tian’Izy
tompony ny hampianaranay ny vahoakany, dia izao no teninay, vao ny hafaladia fa
ny havozona mbola tsy nokasihana, fotopoto-javatra fotsiny no vita fa ny
karazam-pahendrena samihafa, mbamin’ny tenim-pirenena lalina toy ny hebreo sy
ny grika dia vao nandramana fotsiny.
Niverina tany an-drova ny iraka ka nony avy eo dia izao kosa
ny valin-teny nataon-dRanavalomanjaka tamin’ny misionera: “Raha ny teny hebreo
sy grika, dia teny maty ka tsy fiteny
intsony, fa zavatra hafa tena mahasoa ny tany sy ny Fanjakana no ambarao. Manao
ahoana ary moa, mahay mampianatra ny fanaovan-tsavony va ianareo?” Nanontaniana
I Cameron sy Griffith ka nangataka herinandro I Cameron mba hamaliana ny
hetahetan’ny Mpanjakavavy.
Rehefa niherina ny andro ka tonga ny irak’andriana hanontany
ny momba ilay fanamboaran-tsavony dia nampiseho savony fotsy namboariny
tamin’ny vokatry ny tany I Cameron. Faly ny Mpanjakavavy ary teraka teo ny
fifanarahana teo amin’ny roa tonta. I Cameron sy Chick no hampianatra ny
fanaovan-tsavony. Nomena savony fotsy ny Mpanjakavavy, nahazo fotoana
hijanonana mandritra ny fito taona kosa ny misionera.