Tononkalo: DOX

Atataovy ... 

Ataotaovy aho ray olona, fa mavesatra ny anjarako,
He ! malama anie ity lalako ka tsy misy hamaharako !
Kotsan'ny fitiavana aho ... kotsakotsa mahonena !
Ho dify ihany ilay malala ... toa dia vatranao jerena.

Ataotaovy aho ray olona, sao dia raraka tsy fidiny
Ny fitia nisahiranako ka dia hahitako ngidiny !
ny felan'ny tatamo ve hahatondrako rano mody ?
ny hetahetako avy eto dia tsy hisy fanafody !

Ataotaovy aho ray olona, tokana 'ty siny ity ...
Raha montsamontsana eto, ho entiko aiza ny fitia,
Mitondra tanam-polo, mangaina sy mangaihay !

Ataotaovy aho ray olona, sao tsy tratrako ity havako !
Mahazo an-kodimirana izy ka manahy ny fitiavako
sao tsy hahatratra azy ! He 'ty elanelanay !

Sendra mba nitopy, ity masoko nijery
hendratra ny foko, nahatsiaro ho irery
fa toa any aminao, lay fanalahidy
notadiaviko hatrin'ny ela...tsy tadidy

Antso ... 

Fa taiza ianao... notadiaviko efa ela
tao anatin'ny tsy fantatro sy ny sisa mba tavela
fa nandalovanao ny masoko, ny foko tao anaty
velombelombolo aok'izany, tondrak'orana tsy maty

Angamba tsy ho kisendra ito lala-mifanojo
fa ny lahatra mihintsy no vintana voatondro
anjaran-tsika ny ampitso, hihainana anio
koa raiso 'zany foko, ny antsony valio

 

FITIA MANGINA/DOX

Nandeha ny Andro sy ny Taona
Fa izaho tsy nahay nanadino
Ilay toeranao mbola banga foana
Ny foko minia tsy mety mino

Tadidy ireo niarahana taloha
No mameno ny saina sy ny fo
Mbola mahatsiaro anao tia
Mbola manonofy ilay fitia

Nijanona daholo ny tontoloko
Raha vao lasa ianao
Tsy nisy tantara izay natomboko
Tsy nisy afa-tsy ianao

Mbola tiako foana ianao, tena mila anao
Mampanantena aho fa hahay hitia anao
Mba minoa ahy akia fa ho mandrakizay
Ny antsika raha hifampitantana indray

Ireto masoko jereo fa mipitrapitra ery
Mangata-topi-maso avy aminao ô ry malalako
Maika hamerina indray sy hifankatia
Tsy miandry afa-tsy ianao irery ilay fitiavako

Tononkalo

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-04-08.

Miverina
footer-frame