Noraisin’i Mole, lehiben’ny mpanao raharaha amin’ny vahiny tao Angletera ny iraka Malagasy dia Andriatsitohaina sy ny delegasiona notarihany miisa 6. Nanolotra taratasin’ Andriana ho an’ny Mpanjaka Louis Philippe ny delegasiona no nanambara koa fa fanamafisam-pihavanana no antodiany.
3 aprily 1837: Noraisin’ny Mpanjaka Louis Philippe ny
delegasiona ny ampitson’ny nahatongavany. LeCompte de Saint Maurice,
mpampiditra ny ambasadaoro mitsidika ny Mpamjaka no nampandroso ny delegasiona.
Ary nampisakafo azy ireo niaraka tamin’I Garnot sy Rey.tao amin’ny efitra
ambany. Rehefa tapi-nihinana dia nampandrosoin’ny “officier of the Palace”
hiatrika ny Mpanjaka.