Rehefa niamboho ny Mpanjakavavy Ranavalona I dia nalalaka ny
fivavahana kristiana, nitsahatra ny fanenjehana ny mpino kristiana, nanomboka
niverina indray ny misionera Anglisy.
Radama II (1861-1863) sy Rasoherina (1863-1868) no nanjaka
taorian’ny Ranavalona reniny, marihina fa nalalaka ny fivavahana tamin’ireo
mpanjaka roa nifanesy ireo, fa tsy mbola nanan-kevitra hampanangana fiangonana
teo Anatirova akory izy ireo. Ny mpanjaka Ranavalona II (1868-1883) no
nanapa-kevitra fa hajoro ao an-dRova ny fiangonana.
NY FANANGANANA NY FIANGONANA: Rehefa niamboho ny
Mpanjakavavy Rasoherina ny 02 Jolay 1868, dia Ramona, no nisolo aza, ary
Ranavalona II no anarana nisalorany, vadin’ny Praiministra Rainilaiarivony avy
hatrany izy. Ny Mpanjakavavy Ranavalona II dia resy lahatra tamin’ny fivavahana
kristiana, ary nanambara fa ny herin’Andriamanitra no itokiany eo amin’ny
fitantanana ny fanjakany. Natao ny fanambadian’ny Mpanjakavavy sy ny
Praiministra ny 19 Febroary 1869 ary ny afak’ampitson’io, ny 21 Febroary 1869,
dia nanaiky natao batisa izy ireo. Ny 06 Jona 1869 no nandraisana azy ireo ho
mpandray ny fanasan’ny Tompo. Ny 20 Jolay 1869 no nalatsaka ny vato
fehizoron’ny fiangonana tao Anatirova.
MARO NO TSY NANKASITRAKA:
Toy izao no karazana fanehoan-kevitra nivoaka tao:
- Hifamatopatotra amin’io fiangonana io ny
raharaham-piangonana sy ny raharaham-panjakana;
- Maty hasina ny fasana Fitomiandalan’ny Mpanjaka eo Atsimo
Atsinanan’ny faritry ny tananan-dRova, mitahiry ny hasin’ny fiandrianan’ny
mpanjaka nifandimby;
- Nahoana no tsy mba lapa no antsangany eny avara-pasana toy
izay nataon’ny Mpanjaka teo alohany, fa trano “Vato fady amin’ny
sampin-drazana” sady hanalokaloka ny Fitomiandalana;
- Andrianampoinimerina nanangana an’I Mahitsielafanjaka teo
Atsinanan’ny fasana, Radama I nanao tranovola kely teny an-jorony atsimon’ny
tananan-dRova, Ranavalona I nanao an’ny Manjakamiadana teo andrefam-pasana
tamin’ny 1841.
Radama II sy Rasoherina vadiny nanaovan-dRanavalona reniny
tamin’ny 1846 ny tranovola lehibe teo Avaratry ny Fitomiandalana, ary eo
Atsimon’ny fasan-dRadama rainy, ka nahoana Ranavalona II no tsy mba nanao ny
azy atsy Avaratra na Atsinanan’ny tranomasina fa eo Astimon’i Besakana sy ny
tranomasina ?
- Resy marina Rainiharo sy Ranavalona I fa tafaka-drova ity
ny tranovato hivavahana amin’ny “razam-bazaha”, fonosina vato i Fitomiandalana;
- Mba te hampiseho ny fanjakana ho tena “civilise” eo
imaso’izao tontolo izao Rainilaiarivony ka tsy miraharaha fomban-drazana
intsony izy fa ny azy dia fahefana ihany. Misetra ny vitan-dratsy manorin-trano
eo Atsimo andrefana.
- Maninona raha mitohy mivavaka fotsiny amin’ny efitra
afovoan’i Mahatsara ny Mpanjaka sy ny Praiministra ary ireo mpanaraka azy.?
- Raha tena te hiangona ve izy ireo tsy hankeny amin’ny
traovato efa vita ho tsangambaton’ny maritiora, fa angaha matahotra hovonoina
ety an-dalana izy no manangana tranovato ho azy eo an-dRova?
- Raha te hanao asa soa izy ireo nahoana no tsy ny vola
fotsiny omeny?
HOY IREO NANKASITRAKA
- Aiza kosa ary no hahafahan’ny Fanjakana manaraka ny
asan’ny Misiona vahiny sy miara miasa raha tsy manana izay tena fiangonany ny
Mpanjaka?
- Raha mba te hanao asa soa sy te ho fanoitra lehibe
hampandrosoana ny fiainana ara-tsaina ny Mpanjaka, dia aiza no hanaovany izany
raha tsy manana izay tena azy izy?
- Ny Mpanjaka ve hilatsaka ho mambra hitovy saranga eny
Ambatonakanga na Ampahibe na hiara-mitantana amin’ny misionera ny vola avy any
an-tanidrazan’izy ireny?
- Lahatr’Andriamanitra izao fa tian’ny mpanjaka hafainganina
ny famonjena ny Malagasy mikasika ny fivoaran’ny fomba fiainana sy fahalalana.
NY NITOKANANA NY FIANGONANA: Taoarian’ny nandatsahana ny
vato fehizoron’ny fiangonana tao Anatirova dia roso ny asa, naharitra ela vao
vita ny fanorenana satria, herim-po sy fanomezana miampy asam-panompoana no
nenti-nanangana azy, fa tsy mba asa nokaramaina toy ny nanaovana ireo trano
efatra fahatsiarovana ireo maritiora. Vita ny trano ny 08 Aprily 1880. Ny 22
Aprily 1880 no andro voafidy hitokanana azy. Lanonan-dehibe ny fitokanana
satria nahitana mpitsoka mozika 56 lahy miakanjo ambony mena sy pataloha mainty
ary misamboady manga, nahatratra 99 lahy sy vavy ireo mpihira, ary hita tao
avokoa ireo manamboninahitra sy tandapa nanotrona ny Mpanjakavavy Ranavalona II
sy ny Praiministra Rainilaiarivony narahin’ireo misionera. Tamin’io fitokanana
makotroka io dia ny ngeza avokoa no nitana ny raharaha. Ravoninahitriniarivo no
namaky ny fihirana rehetra, Rainizafimanga izay folo voninahitra no nitarika ny
hira ary Mr POOL izay tompo-marika tamin’ny fanaovana ny trano sady mpahay
mozika no nitendry ny orga. Teo ihany ny
haingo sy ny loko ary ny kabary nentina nandravaka ny lanonana fa ny “afahana
mitory ny haja amam-boninahitry ny firenena dia ny mozika sy ny hira ihany”
Fiheverana nanan-toerana lehibe tao Anatirova izany. Telo taona taorian’ny
nitokanana ny fiangonana Anatirova no niamboho ny mpanjakavavy Ranavalona II
(12 Jolay 1883).
NY NIAFARAN’NY FIANGONANA ANATIROVA: Rehefa niamboho ny
Mpanjaka Ranavalona II dia Razafindrahety izay nitondra ny anarana Ranavalona
III no nandray ny fanjakana, mbola nanambady ny Praiministra Rainilaiarivony
ihany ny mpanjaka. Nitohy hatrany ny fivavahana tao amin’ny fiangonana
Anatirova. Rehefa tonga ny fanjanahan-tany, dia maro ireo fanapahan-kevitra
noraisin’ny fitondrana frantsay toy ny fanesorana ny Masina
Andrianampoinimerina sy Ranavalona I teny Ambohimanga ary nampidirina tetsy
amin’ny tranomasina Anatirova, nalaina teny Ilafy ihany koa ny Masina Radama II
ary nakarina koa tetsy Anatirova, ary ny fiangonana izay nahiana ho
nanalokaloka ny fitomiandalana dia tsy nohetsehana fa ilay Fitomiandalana teo amin’ny Asorotany (atsimo
atsinanana) no nafindra eny amin’ny Alahamadin-tany (avaratra atsinanana).
Nandritra ny Repoblika voalohany dia tao amin’ny fiangonana Anatirova no
notontosaina matetika ny fotoam-pivavahana ho fangataham-pitahiana ho an’ny
tanindrazana rehefa fetim-pirenena (26jona). Tamin’ny 06 Novambra 1995, nahamay
ny Rova, dia efa simba tanteraka ka nila fanamboarana ny trano fiangonana.
Taorian’ny fahamaizana dia anisan’ireo trano narenina mialoha ny trano
fiangonana ary tamin’ny fanamarihana ny fahafolo taona nahamay ny Rova dia tao
amin’ny fiangonana Anatirova no natao ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ho
fangataham-pitahiana ny fanarenana ny Sabotsy 05 Novambra 2005.
Nanovozan-kevitra : RATANY nosoratan’i Lucien EM
RANDRIANARIVELO