Mifamatotra tanteraka amin'ny kolontsaina Malagasy ny ravin-kazo. Nokiraina ho tafiana ary nampiasain'ny Ntaolo ho fitaovam-pihinanan-kanina koa tany aloha tany. Sady solon'ny sotro no natao lovia. Fahiny hono, isaky ny hihinan-kanina ny olona dia raharahan'ny ankizivavy ny mandeha any an-tsaha maka ravina atao sotro sy lovia. Rehefa lanonana no tena asabe izy io satria arakaraky ny isan'ny olona ny ravina alaina. Tsy vitan'izany ihany fa sasana hadio tsara ireo ravina satria hihinanana hanina. Ny zanaky ny Mpanjaka irery ihany no tsy mba midina maka ravina eny an-tsaha. Avy amin'izay fomba izay no nihavian'ny hoe «tsy mandray ravin-dena». Ireo zatovovavy mianjonanjona tsy mety hanao raharahan-tokantrano no tondroina amin'io.
Mbola mifamatotra amin'ny fampiasana ny ravina ho
fitaovam-pihinana koa ilay teny hoe «tsy nalazo akory ny ravina nihinanana». Io
indray dia hilazana ny fikorontanan'ny tokantrano anankiray aoriana kelin'ny
lanonana fampakaram-bady. Fantatra fa ny ravin-kazo dia mihamaina rehefa niala
tamin'ny vatany. Tsy mahatritra ela izay fahamainana izay ary fe-potoana tena farany izay haingana izany
ilay korontana niseho teo amin'ilay tokantrano matoa mbola tsy nalazo akory ny
ravina nihinanana dia efa niady.
Mbola hilazana fe-potoana toy izany koa ny hoe
«maim-bohon-dravina». Filazana ora teo amin' ny Ntaolo io ary noraisin'ny
onajam-peo Feon'imerina ho paik'ora.
Manondro amin'ny fito ora maraina ny maim-bohon-dravina,
midika hoe maina ny vohon'ny ravina satria efa niala ny ranonando. Hilazana
hatsarana koa ny ravina. Ny «fataka oliravina» ohatra dia zava-maniry anankiray
misy eto amintsika. Hazo mahitsihitsy izay ny fataka, somary olioly ny volony
ary noheverina fa manambara hatsaran-tarehy izany. Ankoatra ireo dia misy ny
fitenenana hoe «rano an-dravina», izay hilazana ny toe-po matahotra mafy sy
mangovitra na tera-tsemboka.
Raha io kolontsaina io no zohiana dia hita taratra indray ny
fifandraisantsika amin'ny tontolo aostroneziana. Ny Aostroneziana dia anisan'ny
tia miravaka ravina sy voninkazo rehefa milanonana. Any amin' ny trano
fandraisam-bahiny any Indonezia sy Malezia any dia mbola ahitana volavolam-bary
nofonosina anaty ravin'akondro haroso ny mpizahan-tany. Eo koa ny koban-dravina
fihinantsika io izay ody ambava-fo fihinan'ny ankizy any amin’ireo tany roa ireo.