NY PIANO


Zava maneno vahiny ny Piano, nahafahana mitendry ireo gadon-kira isan-karazany sy avy any amin'ny lafivalon'izao tontolo izao. Mampiasa azy avokoa ny firenena rehetra, anisan'izany ny Malagasy, indrindra isika teto an-kibon'Imerina.  

NY NIDIRANY TETO: Zava-maneno avy any ivelany ny Piano. Rehefa niamboho ny mpanjaka Andrianampoinimerina dia ny zanany lahy Radama I no nandray ny fanjakana. Nanomboka nampisokatra ny fifandraisantsika tamin' ireo firenena avy any ivelany i Radama I. Ny fidiran'ny misionera no nisantatra izany. Tao anatin'ny fitondrany no nidiran'ny Piano teto Madagasikara, marihina fa ilay Piano tao Anatirova dia tsy may akory, tamin'ny 05 Novambra 1995 nahamay ny Rova, fa mbola voavonjy ary napetrakin'ny tompon'andraikitra, any amin'ny toerana iray azo antoka.  

ZAVA-MANENO FENO TANTERAKA: Azo sokajiana ho efatra ny zava-maneno misy eto ambonin'ny tany. Ny zava-maneno tsindriana (Instruments à touches ) toy ny Piano, Angorodao, Harmonia, sns ny zava-maneno misy tadiny (Instruments à cordes) toy ny Piano, gitara, lokanga, valiha, harpe, sns ny zava-maneno kapohina (percussions) aponga, korintsana, sns ary ny zava-maneno tsofina na (Instruments à vent) toy ny sodina, trompetra, farara, saksofonina, sns

Ny Piano dia tafiditra ao anatin'ny sokajy telo, satria sady zava-maneno tsindriana no misy tadiny ary kapohina ny fomba fitendry.  

ZAVA-MANENO VOAFOLAKA: Na dia zava-maneno avy any ivelany aza azy. Ny Piano, dia voafolak'ireo mpanankanto avy eto amintsika hitendrena ireo gadon-kira sy angola mampiavaka ny Malagasy. Tsy zava-maneno nentim-paharazana akory ny Piano, kanefa kosa azo antsoina hoe zava-maneno vahiny toy ny angorodao, ny gitara, ny lokanga, ny sodina, ny farara, izay samy fampiasa rehefa hitendry gadon-kira malagasy.

Malaza amin'ny fitendrena zava-maneno, amin'ny alalan'ny fihainoana sy famadihana feo tsy misy naoty ny mpitendry zava-maneno malagasy kanefa koa nanampy azy ireo hifehy ny fitendrena Piano ny fisian'ny sora-peo ( Naoty na solfezy sy solfa). Samy nampianarin'ireo vahiny teto avokoa na ny solfejy na ny solfa, saingy nahazo vahana ny solfa izay nentin'ilay Anglisy Joseph Richardson teto, nanoratana ny tiona teo amin'ny hira protestanta. Marihina fa i Richardson dia anisan' ireo mpianatr'i John Curwen, ilay teratany Anglisy namorona ny fomba fanoratana mozika solfa tamin'ny 1842. Ireo misionera tany amin'ny fiangonana katolika indray, dia nampita ny fahaizana mitendry amin'ny alalan'ny naoty na solfejy.  

 HARENA SADY HAINGON-TRANO: Famantarana anavahana ny mpanan-karena ny fisian'ny Piano ao amin'ny efitrano fandraisam-bahiny. Ho an'ny teto Antananarivo dia azo sokajiana telo ny zava-maneno arakarakin'ny faritra nonenana. Nahitana Piano betsaka indrindra ny faritra avo toa an'Andohalo, ny manodidina ny Rova, Ambohipotsy, Ambohimanoro, Ambavahadimitafo, Ambatovinaky, Faravohitra. 

Rehefa midina eo anelanelan'ny tanana, Antaninarenina, Isoraka, Antaninandro, Ankadifotsy sns dia ny gitara indray no zava-maneno fahita. Manana ny mampiavaka azy ny gitara satria nofolahin'ireo mpitendry mahay, hamoahana ny zavabitan'ny Piano, zava-maneno misy tadiny rahateo ny gitara no sady mora bataina, miavaka izy tamin'ny fanaovan'ny tovolahy serenady fahiny, na ilay fomban'ny tanora mihira rehefa takariva.

Ny tany amin'ny faritra iva dia ny zava-maneno toy ny sodina sy angorodao no tena nahazo vahana.

Zava-maneno nampiavaka ny mpanan-karena ny Piano, araky ny efa voalaza tetsy aloha, ny mampalahelo dia maro ireo fianakaviana no mbola mihevitra azy ho haingon-trano ,ka na ny zanaka ao an-trano aza tsy miraika hianatra sy hitendry Piano.  

NY PIANO SY NY HIRA TEATRALY: Rehefa lasa zanatany isika tamin'ny taona 1896, dia niditra teto ny teatra. Ny 19 Septambra 1899 no naorina ny Théatre Municipal de Tananarive tao Ambatovinaky. Nanana endrika "Opérette" ny teatra malagasy ,satria misy hira eny anelanelany na mialoha sy mamarana ny tantara. Mazava ho azy fa ny Piano no zava-maneno nanarahana matetika ireny hira ireny. Maro ireo mpitendry Piano sangany tamin' ireo mpamoron-kira teatraly toa an'dRainizanabololona, Raonivalo, Rasamy Gasy (andiany voalohany) taty aoriana nisy an'i, Justin Rajoro, Naka Rabemanantsoa, Andrianary Ratianarivo, Therack Ramamonjisoa, ireo no azo lazaina ho andiany faharoa ary taty aoriana dia maro ireo nanara-dia azy ireo toa an'dRanaivo Ranarivelo, Andrianary CN, JJ Tseheno,sns

 NY HIRAN'NY OMALY: Nanomboka tamin'ny taona 1958 no nisy voalohany ny rindran-kira na “Gala de Chant”, dia ilay fampisehoana hira ranofotsiny tsy misy tantara, tao amin'ny Cinema Valton na Roxy ankehitriny no nanaovana izany, ka ny tarika Naly Rakotofiringa no nisantatra azy voalohany. Ny Piano no zava-maneno fototra nampiasaina, nampian'ny contre basse, Angorodao sy gitara. Nitombo hatrany ny mpanao rindran-kira ary maro amin'ny mpamoron-kira no nalaza tamin'ny fitendrena Piano toa an'i Naly Rakotofiringa, Fred Raoilifahanana, Ramaroson Wilson, Gilles Ramiarison, Andre Titys , Rolland Raelison  ,Rabeson  sns.  

NY PIANO TSY FAHITA INTSONY: Nahitàna Piano ny efitrano malaza fanaovana fampisehoana teto an-drenivohitra fahiny nanomboka teny Ambatovinaky sy tao amin'ny tranompokolona Analakely izay naorina tamin'ny 1951 sy tao Isotry. Taty aoriana anefa dia tonga ny zava-maneno mandeha amin'ny herin’aratra toy ny orga, maro ireo mpanankanto no nirona tamin'ny fampiasana orga. Ankehitriny dia betsaka ireo efitrano fanaovan-danonana, vitsy anefa no manana Piano accoustique.  Ireo trano fanaovana fandraisam-peo na studio d'enregistrement, dia tsy ahitana piano fa dia synthetiseur avokoa no miasa any Zava-maneno tsy lefy laza ary mbola manana ny maha izy azy ny piano, ary tsy voasolon'ny synthetiseur ny zava-bitany, ankehitriny  dia maro ny te hanana azy, saingy tsy taka-bidy ary manahirana ihany koa ny fitondrana  azy.

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2022-03-16.

Miverina
footer-frame