VAVAKA

Tompo ô ! Mafisa fo, 

Ka aza omena valiny aho 

Na nangataka aza anio ! 

Fa iangaviako Ianao ! 

Omeo ho an’ny rahalahiko,  

Ary ho azy manontolo,  

Izay fangatako isan-andro !  

Omeo ho an’ireo mahantra  

Izay fitakiko androany.  

Omeo ho an’ny maro anaka  

Ny sakafo anio tontoloko.  

Omeo ho an’ireo sahirana  

Izay anjara tsikitsikiko,  

Omeo ho an’ireo voazioga,

Ny fahafahako anio.  

Avela aho mba hangatsiaka,  

Avela aho mba hitofezaka,  

Avela aho mba hitomany  

Avela aho mba ho voageja  

Na anio fotsiny aza !  

Sao izay no hanamaivana  

Ny am-paham-pahoriana 

Entiny mandava taona… 

Sy ny masoandro takona 

Lolohaviny isan-andro, 

Sady koa mba hamantarako  

Ny fitiavan-tena disoko, 

Fa ny ho ahy hatrany hatrany 

No efa niadiako fo, 

Rehefa mba mivavaka aho, 

Ka hadinoko ny hafa, 

Koa italahoako Ianao : 

Adinoy aho anio!

 RADO, 1961, DINITRA pp.44-45

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2022-03-16.

Miverina
footer-frame