TENY FAMPIDIRANA
Ny SCOPE-GFI dia manaja ny fiainana manokan'ny mpampiasa sy mpitsidika ny tranonkala www.scope-gfi.com ( izay mitondra ihany koa ny solon'anarana "scope-gfi.com", "ny tranonkala", "ny tranonkala RFIM", "ny tranonkala Feon'Imerina, ary koa "tranonkala Radio feon'imerina). Ity fitsipika iarovana ny fiainana manokana ity dia manazava ny fomba fanangonana, fampiasana, fizarana ny angon-drakitra, ary fiarovana ny mombamomba anao rehefa mitsidika ny tranonkala Radio Feon'Imerina, scope-gfi.com ianao.
Iangaviana ianao hamaky tsara ity fitsipika ity. Raha tsy ekenao ny fepetra momba an'io fitsipika iarovana ny fiainana manokana io, dia azafady indrindra, aza miditra amin'ny tranonkala na manohy ny fampiasana izany .
Izahay dia manana ny zo hanao fanovana amin'ity fitsipika ity amin'ny fotoana rehetra na amin'ny antony rehetra heverinay fa mety. Raisinay ho adidy anefa ny mampahatsiahy anao ny momba ny fanovana eo amin'ny takila manondro ny fanovana, fanavaozana na koa fanitsiana. Ny fanovana, fanavaozana na koa fanitsiana izay mety hisy dia manankery avy hatrany aorian`ny fampahafantarana atao eto amin`ny tranonkala.
Entanina ianao handinika ity fitsipika ity mba ahalalanao izany ary tsy ho tompon-trano miono mandritra ny fampiasana ny tranonkala. Hoheverina ho efa mahafantatra, ho nandinika ary nanaiky ireo fitsipika voarakitra ato ireo ianao amin'ny alàlan'ny fanohizanao ny fitsidihana ny tranonkala.
FANANGONANA NY ANGON-DRAKITRY NY MPAMPIASA NY TRANONKALA
Toy izao ireo fampahalalana afaka angonina ao amin'ny tranonkala:
Angon-drakitra manokana:
Fampahalalana manokana, toy ny anarana, adiresy, adiresy mailaka, laharana finday, ny taona, ny maha-lahy na ny maha-vavy, ny toerana nihaviana, ny zavatra maha liana anao, sy ireo vaovao omenao an-tsitrapo anay rehefa misoratra anarana amin'ny tranonkala ianao, na rehefa misafidy ny handray anjara amin'ny hetsika isan-karazany mifandraika amin'ny tranonkala ianao. Tsy voatery ny hanome anay ny mombamomba anao rehetra ianao, kanefa ny fandavanao izany dia mety tsy ahafahanao mampiasa endri-javatra sasany ao amin'ilay tranonkala.
Angon-drakitra alain'ny "serveur ":
Ireo angon-drakitra azo rehefa miditra ny tranonkala ianao, toy ny adiresy "IP" anao, ny karazana "navigateur", ny momba ny fitaovana ampiasainao, ny fotoana nidiranao ary ireo pejy efa nojerenao mivantana sy taorian'ny nidiranao tao amin'ilay tranonkala.
Fahazoan-dalana Facebook :
Ny tranonkala dia mety mahalala ny rakitra fototra amin'ny kaonty Facebook misy anao, ao anatin'izany ny anaranao, ny mailaka, ny maha lahy na maha vavy, ny andro nahaterahana, ny tanàna onenana, ny "URL", sy ireo mombamomba anao izay nofidianao ampahafantarina imasom-bahoaka. Azo atao koa ny mangataka ny fahazoana alalana hafa mifandraika amin'ny kaontinao, toy ny namana, ny zavatra tianao.
Angon-drakitra avy amin'ny tamba-jotra sosialy :
Ireo angon-drakitra avy amin'ny tambajotra sosialy, ka ao anatin'izany ny anaranao, ny anaran'ny tamba-jotra sosialy, ny toerany, ny maha lahy na maha vavy, ny andro nahaterahana, ny adiresy mailaka, ny sary profil ary ny angon-drakitra ho an'ny fifandraisana, raha ampifandraisinao amin'ireo tamba-jotra sosialy ireo ny kaontinao.
Angon-drakitry ny finday :
Ireo fampahalalana momba ny fitaovana, toy ny modely ary mpanamboatra, sns, ary ny fampahalalana momba ny toerana misy ny fitaovanao, raha miditra amin'ny tranonkala amin'ny finday ianao.
Angon-drakitra avy amin'ny fifaninanana, fanomezana sy fanadihadihana:
Ireo fampahalalana manokana sy hafa mety atolotrao rehefa manao fifaninanana na manao fanomezana, na koa mandray anjara amin'ny fanadihadiana.
Fampahalalana momba ny vokatra natokana ho an`ny finday
Raha miditra amin'ny tranonkala amin'ny alàlan'ny vokatra natokana ho an`ny finday nataonay ianao, dia azonay atao:
- ny maka ireo fampahalalana momba ny toerana ampiasana ny finday.
- ny mangataka fidirana na fahazoan-dàlana amin'ny endri-javatra sasany amin'ny finday entina mifandray amin'ny tranonkala, anisan'izany ny mikasika ny "Bluetooth", alimanaka, fakantsary, contact, fitaovam-pitenenana, "capteur", hafatra SMS, kaonty amin'ny media sosialy, ireo fitahirizana, sns.
- ny manangona angon-drakitra momba ny fitaovana (toy ny "ID", ny momba ny finday toy ny mpanamboatra fitaovana), ny rafitry ny solosaina , ny adiresy "IP".
- ny mandefa fampandrenesana momba ny vaovao avy amin'ny tranonkala. Raha misafidy ny tsy handray ireo karazana serasera ireo ianao dia azonao atao ny manakatona azy avy ao amin`ny findainao.
FAMPIASANA NY ANGON-DRAKITRA MOMBA ANAO
Ny fahalalana ny toe-javatra momba anao mifanaraka amin'ny tena izy dia ahafahanay manome fahafaham-po anao amin'ny tolotra ataonay. Toy izao avy ny mety ampiasana izany fampahalalana izany:
- Lalao samihafa,
- Fanampiana amin'ny fampiharana ny lalàna,
- Fanangonana angon-drakitra antontanisa,
- Famoronana sy fitantanana ny kaontinao,
- Fandefasana dokam-barotra sy fampahalalana hafa entina hampiroboroboana ny tranonkala,
- Fandefasana mailaka aminao momba ny tranonkala,
- Fampitomboina ny fahombiazana eo amin'ny fampandehanana ny tranonkala,
- Fanaraha-maso sy famakafakana ny fampiasana ny tranonkala,
- Fizahana ny fironana entina hanatsarana ny fijerevanao ny tranonkala,
- Fampahafantarana anao ny fanavaozana ao amin'ny tranonkala,
- Tolotra samihafa,
- Manara-maso amin'ny mety ho asa ratsy,
- Sy ireo hafa ihany koa.
FIZARANA NY ANGON-DRAKITRA
Azo atao ny mizara ny angon-drakitra momba anao amin'ny toe-javatra sasany:
- Rehefa voadidin'ny lalana na ho fiarovana ny zon'ny hafa.
- Raha heverinay fa ilaina ny fizarana ny mombamomba anao noho ny fampiharana ny lalana, na ho fanarenana ny mety ho fanitsakitsahana ity fitsipika ifanekentsika ity, na koa mba hiarovana ny zon'ny hafa, dia mety hizara ny fampahalalana momba anao amin'ireo izay tokony ahalala izany izahay.
Tolo-barotra
Raha mahazo fahazoan-dàlana avy aminao, dia azo atao ny mizara ny fampahalalana ny mombamomba anao amin'ny hafa, nefa ao anatin'ny fanarahan-dalana izany rehetra izany no atao.
Fifandraisana amin'ny mpampiasa tranonkala hafa
Raha mifanerasera amin'ireo mpampiasa ny tranonkala ianao, dia mety ho hitan'ireo mpiserasera ny anaranao, ny mombamomba anao, ny filazalazana momba ny hetsika ataonao, ny resaka ifanaovanao amin'ny mpampiasa hafa, sns.
Mpiara-miasa
Azo atao ny mizara ny fampahalalana anao amin'ireo mpiara-miasa aminay, nefa kosa takianay ireo mpiara-miasa ireo mba hankato ity fitsipika ity.
TEKNOLOJIA FITILIANA
Mety mampiasa "cookies", "web beacons", piksela fanaraha-maso ary teknolojia fanaraha-maso hafa ny tranonkala mba hanatsara ny fampiasanao ny tranonkala. Amin'ny fampiasana tranonkala, dia manaiky ianao ny hofehezin'ny lalàn'ny "Cookie".
Dokam-barotra miorina amin'ny Internet
Azonay atao ny mampiasa rindrambaiko (software) hafa ankoatra ny an`ny SCOPE-GFI entina mamoaka ireo doka ao amin'ny tranonkala, mamoaka dokam-barotra amin'ny mailaka ary ny mifantina ireo hetsika ara-barotra hafa. Azon'io rindrambaiko io atao ny mampiasa "cookies" na teknolojia fanaraha-maso hafa, mba hanampy amin'ny fitantanana sy ahatsara ny fampiasanao ny tranonkala.
FAMPIASANA TRANONKALA HAFA
Ny tranonkala dia mety misy rohy mankany amin'ny toerana ivelany izany manokatra tranonkala hafa. Ohatra amin`izany dokam-barotra sy ny tolotra ivelany, izay tsy mifandray amin`ny SCOPE-GFI. Vantany vao nampiasa an'ireny rohy ireny ianao ka mandao ny tranonkala (www.scope-gfi.com), dia mety misy angon-drakitra omenao an'ireny tranonkala ireny. Tsy voafehin'ity fitsipika ity izany, ary tsy afaka miantoka ny fiarovana izany izahay.
FIAROVANA NY ANGON-DRAKITRAO
Mba hiarovana ny mombamomba anao manokana, dia ampiasanay ny fepetra rehetra fiarovana eo amin'ny lafiny fitantanana sy ara-teknika. Tsara anefa ny manamarika fa mbola marefo ny rehetra ankehitriny, na eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena aza, amin'ny fiadiana amin'ireo tsy manao ny ara-dalana eto amin'ny aterineto.
FITSIPIKA HO AN'NY ANKIZY
Tsy azonay atao ny maka angon-drakitra avy amin'ny ankizy latsaky ny 13 taona. Raha fantatrao fa misy ny angon-drakitra nangoninay tamin'ny ankizy latsaky ny 13 taona, dia azafady mba ampahafantaro anay izany.
NY SAFIDY MOMBA NY ANGON-DRAKITRAO
Mailaka sy serasera
Raha tsy maniry hahazo taratasy, mailaka, na serasera hafa avy aminay ianao, dia azonao atao ny mampahafantatra izany amin'ny fotoana hisoratanao amin'ny tranonkala na koa mifandray aminay mivantana
Raha tsy te hahazo taratasy, mailaka, na serasera hafa avy amin'ny tranonkala hafa mifandray aminay ianao, dia anjaranao ny mifandray mivantana amin'izy ireo.
MIFANDRAISA AMINAY
Raha manana fanontaniana momba ity fitsipika ity ianao, dia mifandraisa aminay:
Société de Communication, de presse et d'édition-Groupe Feon'Imerina (SCOPE-GFI Sarl)
6, lalana Ravelojaona, Ambatobevanja, Andohalo
Antananarivo 101
+261341129938/+261334529938/+261320529938