NY FIVAVAHANA SY NY POLITIKA (ARA TANTARA).

Tsy afaka misaraka amin’ny tantaram-pirenentsika ny tantaran’ny fivavahana kristiana, ary manana anjara lehibe teo amin’ny kolontsaina sy fanabeazana izany fivavahana kristiana izany. Toy ny zava-drehetra ihany anefa, dia samy manana ny fomba fijerena ny fivavahana ny tsirairay. Ny nidirana sy ny fiantraikany no ho resahintsika etoana.

 NY NIDIRAN’NY FIVAVAHANA KRISTIANA

Ny mpanjaka Andrianampoinimerina dia tsy nanaiky ny hidiran’ny fivavahana kristiana teto Madagasikara, satria tsinjony fa fomba iray hakana ny tany io. Rehefa niamboho Ny Ombalahibemaso tamin’ny taona 1810, roanjato taona lasa izay, dia Radama I zanany tamin-dRambolamasoandro no nandimby azy. Mbola nanohy ny famoriany an’i Madagasikara i Radama I, saingy nisokatra tamin’ireo vahiny ny fomba fiasany. Tonga teto ireo misionera anglisy izay sady nitondra ny fivavahana kristiana no nampianatra ireo teknolojia isan-karazany. Anglisy avy any amin’ny LMS (London Missionary Society ) ireo.  

Rehefa niamboho Radama I dia ny vadiny no nandimby azy, tsy iza fa ny Mpanjakavavy Ranavalona I, nanomboka tamin’ny 1828.  

Mbola afaka niasa ireo misionera, tamin’ny 1835 aza dia voadika tamin’ny teny Malagasy ny baiboly. Tsinjon’ny Mpanjakavavy anefa fa marina ny ahiahin’Ny Ombalahibemaso izay milaza fa fitaovana hakana ny tany sy ny fanjakana ny fivavahana kristiana, namoaka didy ny Mpanjakavavy nandrara ny fivavahana kristiana, hampody ireo misionera ary hanafay ireo Malagasy mbola misisika manaraka io fivavahana kristiana io.  

Ny 16 Aogositra 1837 ary dia maty nolefonina teny Ambohipotsy Rasalama, ilay mpino kristiana vavy, tsy nanaiky fa nijoro nanaraka ny fivavahana kristiana, maro ireo maritiora hafa namoy ny ainy nanaraka an-dRasalama. Taty aoriana anefa dia niverina ihany ireo misionera vahiny, ankoatra ny LMS dia tonga koa ny NMS (Norvegien Missionary Society), izay razamben’ny Fiangonana Loteriana Malagasy ankehitriny, tonga koa ny FFMA (Friend Foreign Missionary Association), nanaraka koa ny Fiangonana Katolika sy ny Anglikana.

 Ny Mpanjakavavy Ranavalona II, nandray ny seza fiandrianana tamin’ny 1869 dia nisafidy ny fivavahana kristiana ho fivavaham-panjakana, izy no nampanorina ny Fiangonana Tranovato tao Anatirova, nanaiky natao batisa izy sy ny Praiministra Rainilaiarivony.

 Niamboho ny Mpanjakavavy Ranavalona II tamin’ny 1883, Ranavalona III no nandimby azy, izay mbola nitana ny fivavahana kristiana ihany koa. Taorian’ny fifanarahana nataon’ny Anglisy sy ny Frantsay, fa ho lasa zanatany frantsay i Madagasikara dia natao izay nampiroborobo ny finoana katolika, ry zareo frantsay ihany koa dia nampiditra ny MPF (Mission Protestante Française) mba hanehoana fa misy koa ny frantsay manaraka ny finoana “protestanta”.Nandritra ny fanjakan’ny Mpanjakavavy Ranavalona III no very ny fanjakana Malagasy, ka lasan’ny vazaha ny tany, I Bernard Laroche izay voatendry ho Résident Général nisolo an’i Jeneraly Duchesne dia frantsay protestanta.

 NY FIANTRAIKANY

Rehefa lasa tany teo ambany fiahian’ny frantsay i Madagasikara ny 01 Oktobra 1895, iray andro taorian’ny tifi-tafondro nataon’ny tafika frantsay ny 30 Septambra 1895 dia nihetsika ny tia tanindrazana, nahitana ireo Menalamba nanomboka ny 22 Novambra 1895, namono misionera vahiny no nataony ary nampandoro trano fiangonana, anisan’ireo misionera maty tamin’izany ny Pasteur William Johnson telo mianaka tao Arivonimamo, ry Benjamin Escande sy Paul Minault. Tsikaritra anefa fa nisy nanararaotra ny hetsikin’ny Menalamba namonoana ireo mpitondra fivavahana protestanta

 Zarazarao hanjakana”, ny teny filamatra nampiasain’ny frantsay handresena antsika, tonga hatrany amin’ny finoana izany, ary nisy fiantraikany teo amin’ny vahoaka, nisy rahateo ny antsonjay nataon’ny frantsay tamin’ny finoana protestanta, izay nosokajiana ho mbola mandala ny fitondrana fahampanjaka.

 Porofon’izany ny nandravana ny Rova tao Ambatomanga ka navadika ho fiangonana katolika, ny fiangonana protestanta tao Betafo Ambohimangakely izay nalain’ny katolika ankeriny ary navadika ho Eglisy katolika sns…

 Teo amin’ny finoana tsy katolika indray dia nisy ny fizaram-paritany. Ny avy eo Antsirabe mianatsimo dia natao izay nampantanjaka ny fiangonana Loteriana izay avy amin’ny norvejiana NMS.

 Ny avy eo Antsirabe mianavaratra dia ny fiangonana protestanta izay avy amin’ny LMS, FFMA, MPF no nampiroboroboana, ary ny any amin’ny faritra atsinanana dia naparitaka ny fiangonana anglikana, saingy ny finoana katolika kosa dia tsy nasiana fanavahana fa norakofany avokoa i Madagasikara manontolo. Nisy mihitsy aza fanerena ankolaka ny mpino protestanta hivadika ho katolika, toy ny nataon’ny  Dr Besson, résident frantsay tany Fianarantsoa, izay nanery ny mpitandrina sy evanjelista ary mpino protestanta 50 mahery tsy maintsy hody aty Imerina. Tsy azo fafana eo amin’ny tantara ihany koa ny nidiran’ny katolika haka ny fiangonana protestanta tao Antanamalaza ny Desambra 1855 hatramin’ny Septambra 1896. Fa ny tena nanaitra ihany koa dia ny nanerena ny Mpanjakavavy Ranavalona III nivadika katolika tany La Réunion, naely taty an-tanindrazana izany vaovao izany ary nambara tamin’izany fa teraka soa aman-tsara ny Printsesy Razafinandriamanitra izay nanaraka ny Mpanjakavavy tany La Réunion ary vavikely ilay zaza, Marie Louise no anarany sady natao batemy tamin’ny katolika.

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2022-03-06.

Miverina
footer-frame