RANAVALONA III NATAO SESITANY

Ny Sabotsy 27 Febroary 1897 tamin’ny 6ora sy sasany maraina no tonga tao Anatirova ireo miaramila frantsay maromaro, nanendaka ny fiadiana tany ampelatan’ireo miaramila mpiambina ny Mpanjakavavy Ranavalona III. Taorian’izany dia tonga ny Lehiben’ny etamazoro frantsay niaraka tamin’dRasanjy mpandika teny frantsay. Novakiana tamin’ny Mpanjakavavy tao Tsarafahatra ny didy navoakan’ny Jeneraly Galliéni, mandefa azy sesitany ho any La Réunion, ary miainga ny alin’ny Sabotsy 27 Febroary hifoha ho 28 Febroary 1897 alohan’ny amin’ny 2ora maraina.

Tamin’io andro nilazana tamin’ny Mpanjakavavy, fa halefa any La Réunion izy, no nosamborina sy nampidirina an-tranomaizina teny Antanimora ny manamboninahitra maromaro sy olomanankaja toa an’dRainibemanantsoa 15 Voninahitra, Josefa Andrianaivoravelona mpitandrina sady 12 Voninahitra, Rainisolofo 13 Voninahitra Komandy tany Mahanoro.  

Hentitra ny baikon’ny Jeneraly Galliéni amin’ny fiambenana ny Mpanjakavavy miainga ao Anatirova, mandrapahatongany ao anatin’ny sambo hitondra azy. Natahoran’ny Jeneraly Galliéni fatratra ny fihetsik’ireo Menalamba izay mbola tsy lefy. Narahimaso ihany koa ny fampirimana ny entana, azony entina avokoa ny firavaka sy ny vola teny aminy afa tsy ny satro-boninahitra nahampanjaka azy.  

Ny Lieutnant Alfred Duand no voatendrin’i Galliéni hitondra ny Mpanjakavavy hatrany La Réunion. Tamin’ny 12 ora alina ny Sabotsy 27 Febroary 1897, izany ho efa Alahady 28 Febroary 1897 no tonga io manamboninahitra frantsay io haka ny Mpanjakavavy tao Anatirova. Filanjan-dRasoherina no nitondrana ny Mpanjakavavy, nirotsaka ny ranomasony nandia farany ny tananan’Anatirova, tonga ao an-tsaina fa tsy hahita velona ny tanindrazany intsony izy. Miaramila sy mpilanja 700 mahery no nanemitra ny filanjana nandao an’Anatirova tokony tamin’ny 1ora sy sasany alina.Nisy ilay antsoina hoe “gorodogorodo” nandalo an’Ambahavadimitafo sy Ambanidia sy izay rehetra nolalovany saingy tsy taitra ny olona fa noheveriny ho miaramila handeha hampandry tany fotsiny ireo, ny ampitso Alatsinainy 01 Martsa 1897 vao tankina toy ny novakiambaratra Antananarivo nahita ny peta-drindrina nilazana fa lasa sesitany ny Mpanjakavavy.  

Niniana nampandalovina tao Ankatso sy Andraisoro ny Mpanjakavavy ahitany ny toerana niaingan’ny tifi-tafondro tao Andrainarivo, izay niteraka ny faharavan’ny fanjakany.  

Tamin’ny lalana rehetra nolalovan’ny Mpanjakavavy hatrany Toamasina dia hentitra ny miaramila, tsy navela hihaona tamin’ireo vahoaka ny Mpanjakavavy, ka niniana natao mihitsy ny nanalavi-dalana mba tsy handalo tanana be olona.  

Ny Alarobia 3 Martsa 1897, nijanona nisakafo tao Ampasimbe ny rehetra, saika hanakora ny Mpanjakavavy Ranavalona III ny Mpanjakavavy Betsimisaraka saingy tsy tanteraka izany fa nandray ny andraikiny ireo miaramila mpiambina.  

Ny Sabotsy 06 Matsa 1897, dia niainga tao Anevoka, tonga tao Ambodisiny, nisy ireo vazaha monina tao nikasa hanaraby ny Mpanjakavavy saingy nampidininy ny tafom-pilanjany ka nangaina ireo mpaneso. Efa tamin’ny 9 ora sy fahefany alina vao tonga tao Toamasina ny Mpanjakavavy.Mbola nisy indray ireo andian’olona nihogahoga ny Mpanjakavavy saingy maizina ny andro ka tsy nahita azy. Trano lehibe mihaja no nandraisana ny Mpanjakavavy tao Toamasina. Ny ampitso Alahady 7 Martsa 1897 dia tonga niarahaba ny Mpanjakavavy ny manampahefana frantsay tao Toamasina. Ny Alatsinainy 08 Martsa 1897 no tonga tao Toamasina, ny andiany nahitana an’i Rasendranoro rahavavin’ny Mpanjaka sy Razafinandriamanitra zanany vavy bevohoka be efa ho teraka. Manaraka ny Mpanjakavavy any an-tsesitany izy ireo niampy mpanompo vitsivitsy.  

Naka aina kely ny mpandeha, ny Alarobia 10 Martsa 1897 tamin’ny 4 ora hariva no natomboka ny fampiakaran’entana. Niondrana taorian’izany ry Rasendranoro mianaka sy Ramanankirahina mpandika teny ary ireo mpanompo, tokony tamin’ny 6 ora hariva. Nony vita sakafo ny Mpanjakavavy, tamin’ny 8ora alina dia nentina am-pilanjana nanatona ny salopy izy. Maro ireo olona nisisika nijery kanefa voasakan’ireo miaramila frantsay. Napetraka tao amin’ny “salon’ny” sambo natao fatoriany ny Mpanjakavavy. “La Peyrouse” no anaran’ilay sambo, ny Alakamisy 11 Martsa 1897, tamin’ny 5ora maraina vao niainga ny sambo, nandalo tany amin’ny Nosy Sainte Marie haka an’i Ramasindrazana, rahavavindrenin’ny Mpanjaka izay nalefa sesitany noho izy voampanga ho lehiben’ny Menalamba, marihina fa niara nosamborina tamin’ny Printsy Ratsimamanga anadahiny, sy Rainandriamampandry i Ramasindrazana ny 11 Oktobra 1897. Tamin’ny 2 ora tolankandro no tonga tany amin’ny Nosy Sainte Marie ny sambo La Peyrouse. Ranomaso no nifankahitan’izy efatra mirahavavy mianaka feno 5 volana katroka ny  nisarahan’izy ireo ary samy handao ny tanindrazana fa handeha sesitany any ivelany. Ny Alahady 14 Martsa 1897, tamin’ny 6 ora maraina no niantsona tao La Reunion ny sambo LA Peyrouse nitondra ny Mpanjaka Ranavalona III sy ireo andriambavy ary ny mpandika teny sy ireo mpanompo nanaraka azy.  

Fiaran-dalamby manokana misy “wagon-salon” no nandray ny Mpanjakavavy Ranavalona III, vetivety dia feno olona ny gara vao nahare ny fahatongavan’ny Mpanjakavavy saingy niasa mafy ny polisy. Saika tsy nety nidina ny wagon ny Mpanjakavavy rehefa tonga tany amin’ny gara tokony nialany, maro ireo olona niantsoantso hoe: “Vive l’armée, vive Galliéni”.  

Nijanona roa taona tao La Réunion ny Mpanjakavavy niaraka tamin-dRamasindrazana rahavavindreniny, Rasendranoro rahavaviny, Razafinandriamanitra zana-dRasendranoro dia maty noho ny havizanany, niteraka ny zanany izay vavikely ary nampitondrainy ny anarana hoe Rasendranoro Marie Louise.

Tsy nahomby ny tetika rehetra nataon’ny frantsay, raha tsy nisy ireo teratany Malagasy mpamadika nifandray tendro tamin’ireo frantsay. Mibaribary eto ny nataon-dRasanjy, tsy izy irery fa maro tsy ho voatanisa, nanana anjara izireo tamin’ny faharesena taminny 30 Septambra 1895, tamin’ny nitifirana ny Printsy Ratsimamanga sy Rainandriamampandry ary tamin’ny nandefasana ny Mpanjakavavy Ranavalona III tatsy La Réunion. Mbola feno mpamadika manodidina antsika, koa samia mailo hatrany

 

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2022-02-27.

Miverina
footer-frame