TSY LAINGA

Rehefa asesim-pitia

Tsy sembana akory ny dia

Ny miato dia sanatria

Marivo ny ranomaria

 

Milalina am-paladia

Mahagaga mampihaiky

Ny lavitra dia tonga akaiky

 

Raha saraky ny olomalala

Manembona ity fo adala

Ka sahy mihoatra ny vala

Hatrany ambadikin'ny ala

 

Ny tazom-pitiavana hono

Aretina mety mamono

Tsy lainga na hoe vazivazy

Tsy vazivazy

Mihaona dia sitrana ho azy

 

Namorona: Ranaivo Ranarivelo 

Nihira azy voalohany: Barijaona sy Odeam

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2022-02-27.

Miverina
footer-frame