Aza mora kivy foana, na ho be fiady varotra
Fa tsy mora ange akory ny miady ho an’ny Marina
Fony mbola kely ialahy dia nozariko ady sarotra
Notsindriana hahay mihoitra sy nalavo hahay miarina
toy ny an’ireo kanosa, ka dia fefik’io ny lakany
Ny antsika kosa leitsy: ranon-kazo lohataona
mampamelana ny taho, hery nampitain’ny fakany
filazana “izao” sy “izany’. Tsy ireo no maha-olona
fa ny saina tapa-kevitra ary tsy milasilasy
raha mipaika ny fotona hitarihana ny tolona
Vokatry ny fihafiako, zon’ialahy ny handova harena
Saingy mialoha an’io, ny mihafy aloha ianarana!
Ny miadana lehiroa tsy mba amolahan-tena
Fa ny mandry tsy milafika, tsy mba hay raha tsy hizarana!
RADO, 23 Nov.1975