Teo amin'ny fiarahamonina malagasy, dia fanao ny mihaino ny vinany ataon' ny mpanandro momba ny zavatra ho avy, avy amin' ny fijerena ny tonon' andro sy ny vintana.
Napetraky ny Malagasy tamin'ny vintana hatrany ny fanakambanana olon-droa fahiny. Raha zazalahy manana ny vintana Alahamady (Afo) dia voalaza fa mifanaraka sy mifanambina amin'ny zazavavy manana vintana Asombola sy Alakarabo (Tany). Mifamelona ireo vintana ireo satria ny tany mangatsiaka hono mila afo ary ny afo kosa mila tany hirehetany sy hivelomany. Afo, Rano, Rivotra ary Tany ireo no karazam-bitana mitondra ny volana malagasy.
Toy izao kosa ny fizaran'ireo volana malagasy teo amin'ny Ntaolo. Misy volana telo mitondra ny vintana afo, misy telo hafa mitondra rano, telo hafa mitondra rivotra ary ny telo farany mitondra vintana Tany.
Ny vintana toy ny Alahamady, Asorontany ary ny Adimizana sy ny Adijady dia voalaza fa matetika vitan-dehilahy. Raha vehivavy no mitondra ireo vintana ireo dia hanana toetra "mitady ho lohany" hono ary mahery toy ny lehilahy!
Misy ny antsoina hoe "reniandro" sy "zanak'andro" koa ny vintana ka mbola miankina amin'ireo koa ny ahalalana ny mpivady mifanambina na tsia.
Tsara ny mamaky ireny boky mitahiry ny fanazavana momba ny vintana ireny na dia ahalalana fotsiny ihany aza ny tokony atao.
Voalazan'ireo mpandinika manko fa na ny fananana taranaka aza dia miankina betsaka amin'ny vintan'ny tsirairay. Ny zaza teraka tsinambolana hono dia tsy hanan-taranaka. Mbola voalaza koa fa ny hamantarana ny olona toy izany dia voamarika amin'ny tsy fisian'ny volo eny amin'ny ranjony na ambany heliny. Ny lafin-tsarany kosa dia ambinin-karena ireny olona ireny raha tsy ambinin-janaka.
Ny tsapa aloha eo amin'ny fiainan-janak'olombelona dia misy tokoa ireo mpivady tsy mifanambina ka tsy mahazo taranaka. Rehefa samy misolo vady anefa izy ireny dia samy mahazo zaza. Mety ho resaka ara-tsiansa ihany koa no mahatonga izany saingy teo amin'ny Ntaolo dia mbola tsy nisy ny siansa fa hainy fotsiny ny mamantatra amin'ny fandinihana ny zava-mitranga.
Misy milaza fa finoanoam-poana ny resaka fanandroana, ary misy tena mihevitra fa filalaovana ny herin'ny maizina mihitsy aza. Raha ny marina anefa dia tsy misy hidiran'ny fivavahana, na ny fanompoan-tsampy velively ny fijerena ny "vintana". Mitovitovy amin'ny "feng shui" any China ihany izy. Ny Feng shui dia voafaritra ho "fahaiza-miaina" (art de vivre), izay hikatsahana ny firindran'ny fiainan'ny zanak'olombelona amin'ny tontolo misy azy. Tsy notondroana ho fanompoan-tsampy ny fahaiza-manao toy itony hany ka naharitra an'arivo taona ny fisiany. Atty amin'ny tany voazanaka kosa, dia niniana nopotehina ny fahaizana netim-paharazana.