NY FITSABOANA VOALOHANY TETO ANTANANARIVO

 Ny taona 1864 no nanorenana voalohany hopitaly teo Analakely ary tamin’izany dia efa nisy fandidiana tao. Fandriana niisa 40 teo ho eo no napetraka tao ary nisy fampianarana ho an’ireo izay te hianatra ho dokotera sy infirmiera tao. Izany Dokotera Davidson izany, avy ao amin’ny London Missionary Society no niandraikitra ny fitsaboana sy ny fampianarana izay nandroso tokoa, saingy noho ny antony tsy dia nazava loatra dia nakatona io toeram-pitsaboana sy fampianarana io ny  5 Novambra 1876 ary niala teto Madagasikara ny dokotera Davidson ny volana May 1887. Nosokafana indray ny hopitaly ny taona 1881.  

Nisy koa anefa ireo misionera  Anglisy sy Norveziana nanampy ny  Malagasy ka namorona ny “Medical Mission Academy”, tamin’ny taona 1885 ary teo akaikin’ ny Rova no nisy ny foibeny. Fampianarana no tena nimasoan’ity foibe ity ary nisy dokotera malagasy avy nandrato fianarana tany Edimbourg, anisan’ny mpampianatra tao dia Rajonah izany. Nanofana infirmiera sy mpampivelona ity trano fampianarana ity ary izy no niteraka ny toeram-pampianarana tao Befelatanana taty aoriana. Ny 17 Septambra 1886 no namoaka mpianatra voalohany ny MMA.  

Ny hopitaly tao Soavinandriana kosa izay ny architecte J.William no nanao ny maritrano dia niandoha tamin’ny fandriana niisa 92. Azo lazaina ho hopitaly mihaja ihany izy ity tamin’izany satria sady nangina ny toerana no tsara ny rivotra raha noharina taminilay nisy teo Analakely. Ny taona 1889 no nanapa-kevitra ny Mpanjakavavy Ranavalona fahatelo fa hanome alalana hanorenana azy ity noho ny fahitana fa be ny areti-mifindra ary tsy lavorary loatra ny fitsaboana tao Analakely noho ny toerana nisy azy. Tsy tontosa anefa ny fanombohana ny asa raha tsy ny taona 1891, fotoana nikatonan’ny hopitaly tao Analakely indray.

 Nisy anefa ny ady teo amin’ny Frantsay sy Malagasy ny taona 1895 koa rehefa azon’ny mpanajanaka Antananarivo dia niakaran’ny miaramila ny hopitaly tao Soavinandriana ka namaharany nandritra ny herintaona. Ny taona 1896 dia mbola nanohy niasa tao Soavinandriana ny misionera anglisy saingy rehafa azon’i Galliéni tanteraka ny fitondrana dia nesoriny teo am-pelatanan’ny sivily ny hopitaly. Lasa hopitaly kolonialy nanomboka teo ny tany Soavinandriana. 

Raha vao niditra teto ireo Frantsay mpanjanan-tany dia nozarainy tamin’ny fomba fiantsoana azy ny mponina.  Ry zareo mpanjanaka moa mazava loatra fa “Eoropeana”,  ny tompontany kosa no “indizena” fa saingy teo amin’ny fitsaboana kosa dia mbola nisy indray ny fanavahana ny “eoropeana indigents” (indigents: tsy manan-katao sy fahadiranovana) tetsy ankilany ary ny “vahoaka” tsotra tetsy andaniny.  

Ny 22 May 1896 àry dia nisy ny taratasy nataon’ ny Governora jeneralin’Avaradrano, ny Printsy Ramahatra, nilaza fa adidin’ny fanjakana tamin’ izany ny miandraikitra ny marary sy ny fanampiana ireo tsy manan-katao. Ireo Frantsay sy Eoropeana tsy manan-katao, ka nisoratra anarana tao amin’ny Résidence Générale de France dia manan-karatra ahazoany maka fanafody maimaim-poana. Ny ”Indigents Malagasy” kosa dia ireo nisoratra anarana tao amin’ny biraon’ny Gouvernement Général tao Avaradrano.  

Ny 11 Oktobra 1896 kosa dia notendren’ny Jeneraly Galliéni  ho dokotera tao amin’ny dispenseran’Antananarivo ny Dokotera Rasamimanana Joseph (1837-1935), nianatra avy any amin’ny Faculté-n’i Montpellier ary mpianatra tranainy tao amin’ny Ecole d’Application de Val-de Grâce.  

Tamin’ny fotoana nisian’ny fandaminana io vao tena nifantoka tamin’ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny mponina ny mpanjanaka raha efa nisy kosa ny fandevenan’Andrianampoinimerina ireo izay noheverina ho matin’ny areti-mifindra, tany ivelany lavitra ny tanàna fony Fanajakan’andriana.

TALOHAN’NY FANJANAHANTANY


Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2022-02-13.

Miverina
footer-frame