NY MALAGASY SY NY FANOMPOAN-TSAMPY

NY NIAVIAN’NY TENY HOE SAMPY

 Anisan’ny hevi-dratsy nentina nankorontana ny sain’ny Malagasy hatry ny ela ka mandrak’androany ny resaka sampy. Raha  jerena maimaika dia ny fandikan-teny nataon’ny vahiny fony namadika ny soratra masina tamin’ny tenin-drazantsika , no nampanjavozavo ny hevitry ny “sampy” tao an-dohan’ny Malagasy. Araka ny fanazavan’ireo mpandalin-kevitra sy mpitahiry ny tantara dia ilay teny vahiny”idolatrie” no nezahina ho nadika hoe “fanompoan-tsampy”. Nifangaro tamin’io ary ny hevitry ny sampy ary niniana nosokajiana ho fanompoan-tsampy avokoa taty aoriana ny fomban-drazana rehetra.

Raha ny marina anefa, ny hevitry ny hoe “sampy” teo amin’ny Ntaolo dia izay zavatra manan-kasina ka tsy nosarahina tamin’ny tena. Tsy mba nanana akanjo nisy paosy na kitapo tsinona ny olona fahiny. Misy anefa ireo tapa-kazo madinidinika sy zava-maniry natao ho fitsaboan-tena (ody fanina, ody mandoa , ody fery sy ny sisa) amin’ny andavan’andro ka notohizany tamin’ny kofehy madinika ary niambozonanny nataony samboady. Voalaza koa fa ny teny hoe sampilahy no niavian’io teny hoe “samboady”io. Raha zavatra noheverina ho manan-kasina kokoa indray dia natao tao anatin’ny loha-tandroka ka notsetsenana tsara, ary nasiana kofehy hiambozonana azy toy itsy voalaza etsy ambony. Ampitahao amin’ny fanaontsika amin’izao fotoana izao ary io fomba “fanamasinan-javatra”io. Ho an’ireo marary an-doha lava, moa va tsy mivatsy paracetamol any anaty “poketra” na paosy izy ireo? Torak’izany koa ny misohika, tsy misaraka amin’ny “ventoline”, ho an’ny voan’ny diabeta indray dia maty an-tanana ny siramamy na ny vatomamy, raha sendra latsaka ny tahan’ny gliosemia! Torak’izany koa ireo tsy mety misaraka amin’ny finday na any am-pandriana aza, ankoatra ireo miambozona izany hatrany amin’ny trano fivoahana…

IREO KARAZANY 

Nisy karazany roa ireo noheverina ho sampy teo amin’ny Malagasy. Iretsy voalaza etsy ambony izay nanana ny hasiny ara-boajanahary no voalohany, ka tsy mba nohamasinina. Nisy kosa anefa ireo nilaina nohamasinina. Karazan-kazo lafo vidy tany an’ala izy ireny, nisy koa ny taolam-biby ary voalaza fa hatramin’ny taolan’olona aza dia nisy nampiasaina.. Ara-tantara dia nohosorana tantely ny fomba fanamasinana azy raha noembohana kosa ny fampiasana azy ireny. Ny taizan-drenibe rehetra dia mety mahatsiaro koa fa tena fanao fahiny ny fiembohana ranomena (vita tamin’ny taolam-biby), raha seriserena na marary an-doha. Misy koa ny manafangaro ny ranomena amin’ny menaka mba ampiasaina rehefa miotra.

NY HEVINY ANKEHITRINY? 

Raha ny ankizy ankehitriny no anontaniana ny karazana fanompoan-tsampy  fantany dia tsy hiambahamba izy ireo hanambara fa tafiditra ao anatin’izany ny famadihan-drazana, ny famangiam-pasana sy izay mifamatotra amin’ny razana rehetra e! Izay mihitsy tsinona no fanazavana azon’izy ireo amin’ny alalan’ny fanarahana ny fivavahana kristiana. Tsy dia nisy nanadihady loatra ny antonantony tokony hitazonana na tsia ny karazana fomban-drazana fa dia boriboriana fotsiny hoe “mbola tamin’ny andron’ny maizina ireny fomban-drazana ireny fa izao efa andron’ny mazava”. Rehefa ny mpanao politika frantsay  ohatra no mandeha mamangy ny fasan’i De Gaulle alohan’ny hilatsahany hofidiana dia lazaina fa manaja ny  tia tanindrazana Frantsay fa rehefa ny taranaka Malagasy no mahatsiaro ny razambe nipoirany (izay fomba anatanterahiny izany , tsy iadian-kevitra) dia voasoketa ho mpanompo sampy. 

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2022-02-07.

Miverina
footer-frame