FAHAVALOKO NY RANO

Tenin’Andrianampoinimerina fahiny izy nitondra io. Ny rano tondraka no tian’ny Ombalahibemaso resahina eto.

VONJY RANOVAKY

Rehefa be loatra manko ny ranon’orana, vaky ny fefiloha na mafy aza. Tsy maintsy ifamonjen’ny ambany lanitra izy ireny ka tampenana. Izay ilay hoe vonjy ranovaky. Didian’ny fanjakana, tamin’izany, hamonjy ny fefiloha vaky avokoa na ny zaza amam-behivavy aza, satria vonjy ain’ny ambanilanitra. Samy mitondra kirihitra hanampenana ny fefiloha ny vahoaka tamin’izany.

FEFILOHA

Ara-tantara, ny niavian’ny teny hoe  « fefiloha » dia izao manaraka izao. Nisy lalàna nataon’Andrianampoinimerina izay nampiharina tamin’ireo vantan-dehilahy, tsy marary tsy marin-koditra ka tsy mamonjy ranovaky : tapahin-doha izy ireny raha tahiny ka tsy manampy ny olona hanampina ilay ampiantany kely natsangana mba hisakana ny rano tsy hihoatra. Fefin’ny loha tsy ho tapaka araka izany ny firaisankina amin’ny besinimaro. Tamin’ity lalàna ity no nilazan’Andrianampoinimerina hoe :

« Ny fefiloha no ataontsika, fahavaloko ny rano . »

Azontsika an-tsaina amin’io tantara kely io fa tena nitsinjo ny fanjakana sy ny vahoaka ny mpitondra fahiny.

Andrianampoinimerina sy Ilaidama no nanohy ny fanamboarana fefiloha nataon’Andriamasinavalona. Nanatevina azy ireny.

LAHINDRANO SY VAVINDRANO : TATATRA

Anisan’ny noforonin’ny mpitondra tamin’izany ny lahindrano ampidiran-drano amin’ny tany lemaka sy ny vavin-drano amoahana rano amin’ny lemaka tsy mety ri-drano. Tatatra, arak’izany ny lahindrano sy ny vavindrano.

BETSIMITATATRA

Ara-tantara ihany, Andrianjaka dia efa nampanao fefiloha teo Ikopa hanamboarana tanimbary, ka izy no nanome ny anarana hoe Betsimitatatra.Hentina (lempona mankadiry), hono no teo ka namboarina mba hambolem-bary.

SISAONY na SISA ONY

Avy any Ambohimiadana no loharanony, mandalo an’Andramasina, Tsiafahy, Fenoarivo ary mivarina ao Ikopa ao atsimon’Ambohidratrimo.

Izay no nahatonga ilay ohabolana hoe :

« Arivo tatatra, zato renirano, faran’ny rano Ikopa. »

Hevitra fonosin’ity ohabolana ity ny hoe : « Tsy maintsy ho vaky bantsilana ny lainga na ho ela na ho haingana ! »

Ilaidama kosa no namily an’i Sisaony tsy hihodina an’Anosizato, fa hanitsy eo Antagaina eo avaratr’i Faliarivo. Nampangady tany handehanan’ny rano ity Mpanjaka ity ary io no niandohan’ny anaran-toerana hoe « Ankaditany » eo atsimon’Antananarivo. Tsy vita anefa ity tetikasa ity fa niamboho Ilaidama.

Nifandrindra tamin’ny zava-boahary sy ny tontolo iainany ny mpitondra tany aloha tany. Tsy nisavomboana ihany koa fa tena ny lemaka sy ny tanimbary ary ny ala no nokajiany fa tsy maika tamin’ny teny an-danitra izy satria mbola tsy nahafehy ny tety ambonin’ny tany.

Manamarina izany foto-pisainana izany ny ohabolana manao hoe :

« Aza be famangitra toa rambonosy ka lanitra tsy hianjera no tohanana.»

Miantso ireo be hambo loatra ka ny tsy ho vita avy no tetehina atao.

Ary hoy Andrianampoinimerina hoe :

« Aza ny soa vetivety no tadiavinareo, fa tsinjovy ny farany, fa tsara ny tsara miafara. »

Am-bava homana , am-po mieritra tompoko.

Ramasinirina.

 

 Nanovozan-kevitra : Madagasikara sy ny Malagasy, Randria Michel

Rakibolana : Rajemisa Raoilison.

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2022-01-22.

Miverina
footer-frame