NY MALAGASY SY NY VALIFATY

  Fony mbola "baribariana" ny zanak' olombelona no namaha ny olana nitranga tamin'izy ireo tamin'ny alalan' ny herisetra sy vonoan'olona. Io ilay voalaza ao amin'ny testamenta taloha hoe : "maso solon'ny maso, nify solon'ny nify…"(Eks21 andininy-24 ) izay nofoanan'I Kristy tao amin' ny Matio toko 5, andininy 39-42. Tany am-piandohana tokoa manko dia ny olombelona samy olombelona no mifampitsara ary "valifaty" no nian-tsoana azy ireny. Ireo noheverina fa olona tsy azo ahitsy sy mitera-doza ho an'ny fiaraha-monina  no novonoina tsy nanana antra tamin'izany.

Satria ny fiaraha-monina nisy tamin' izany dia nifahatra tamin'ny fianakaviana na foko, ka raha nisy zava-nitranga noheverin'ny andaniny na ny ankilany fa nanosihosy ny hasiny avy dia raikitra ny fifandonana ary tsy mifarana  izany fifamonoana izany raha tsy tapitra tamingana ny taranak' ilay noheverina fa diso. Ry zareo "Corse" no tena nalaza tamin'ity fifamonoana miendrika valifaty ity. Nijanona ela teo amin'ny tantara tokoa manko ny resaka "vendetta corse" : nifamaly faty hatrany ny fianakaviana anankiroa ary raikitra ho "lova" ho an'ny taranaka fara aman-dimby mihitsy ny fanatontosana izany valifaty izany! Nandalo tamin'io famaliana faty avokoa  na ny antokom-pivavahana na antokon'olon-tsotra.

 ANDRAIKITRY IZAY NANATONTOSA AZY NY HELOKA VITANY

Io fomba io no nivoatra taty aoriana ka tsy ny fianakaviana na foko intsony no nampihatra azy fa  izay “nanana ny fahefana”. Tao Roma ohatra, dia nihafoana tsikelikely ny  fahefan'ny loham-pianakaviana (pater familias) mampihatra ny fanamelohana ho faty amin' izay diso. Tsy ilay fianakaviana manontolo intsony no aringana raha misy heverina fa fahadisoana nataon' ny anankiray aminy, fa atolotry ny fianakaviany ny manampahefana  ilay noheverina ho nahavanon-doza (abandon noxal) ary izy no manefa ny sazy. Ny heloky ny olona anankiray ao anatin'ny fianakaviana na foko iray manko dia tokony ho andraikitr' izay nanantontosa azy. “fanamelohana ho faty”  moa  no niandry ny meloka tamin'izany fotoana izany.

Rehefa nanomboka nirindra ny fiaraha-monina taty aoriana, dia nipoitra avokoa ny lalаna maro samihafa mahakasika ny heloka vitan'ny tsirairay. Niato kely ny fanamelohana ho faty fa azo natao tsara tamin'izany ny nandoa lamandy ho solon'ny heloka natao. Arakaraky  ny fivoaran'ny fiaraha-monina ihany koa no nivoaran' ny lalаna nifehy azy ary dia mbola ampiharina mandrak’androany, any amin'ny Firenena maro, ny fanamelohana ho faty ireo heverina ho nahavanon-doza.

Tetsy ankilany anefa dia nisy ny lalаna nosokajiana arakaraka ny heloka vita ary tsy misy olon-tsotra intsony afaka manala ain'olona na manana ny marina aza. Nomena ny Fitsarana ny andraikitra fanamelohana.

 NY MALAGASY KOSA AHOANA?

Amin'izao vanim-potoana iainantsika izao dia mampalahelo ihany ny mahita  ny fombam-pisainan'ny sasantsasany amin'ny mpiray tanindrazana. Rehefa mamaky ny tantara toy io nofintinina etsy ambony io (farany izay fohy satria samy manana ny tantarany ny taonjato nifandimby) dia alaim-panahy ny tena hieritreritra fa tsy nandroso ara-pisainana isika.  Misy ny lalаna velona eto amin'ny tany sy ny Fanjakana nefa dia hain' ny sasany ny milalao izany  mba tsy hisian'ny fampiharana azy. Rehefa dinihina dia ilay fomba fanao tany aloha be izay noheverina fa niandohan'izao tontolo izao, no mbola tiana ampiharina eto. Misy ny krizy pôlitika dia arangaranga ny fandatsahan-drà. Ao ireo antokon'olona sahy miteny imasom-bahoaka fa hataony "maty" ny foko anankiray raha izy no mitondra ny tany sy ny Fanjakana. Mbola betsaka ny tsikombakomba ratsy eto amin'ny Firenena. Tsy ny fahamarinana sy ny hahasoa ny valalabemandry no katsahina. Tsy mbola vitantsika akory ny mampihatra ilay "abandon noxal" voalaza etsy ambony fa raha misy lafim-pianakaviana nahavanon-doza dia arovana fatratra ka taomina ny mpiray tanindrazana hifamono mba tsy ampiharana ny lalаna.  

Araka ny hevitray dia tokony tsy hamaivanina intsony ny fampiharana ny lalаna  sy ny fampahafantarana azy ireny eto amintsika. Manana andraikitra amin' izany ny fahefana isan-tsokajiny. Efa tokony hampidirina any an-tsekoly  ambaratonga ambany ny fampitana ireo lalаna fototra mifehy ny tany sy ny Fanjakana. Ireo ankizy sy tanora manko no tompon'ny  ho avy koa raha tsy handalo eny amin'ny lalam-piofanana Lalаna izy ireny rahatrizay dia tsy ahafantatra akory na  ny  zony aza ary ho lasa fitaovana pôlitika hatrany. Tokony hipetraka isaky ny toeram-piasana, toeram-pampianarana, toerana hifaneraseran'ny besinimaro ny fampahafantarana ny zon'ny tsirairay sy ny lalаna tokony hankatoavina fa tsy hiandry fikambanana tsy miankina avy any ivelany indray hampianatra antsika izany. Mbola trosa hiditra koa manko ireny satria famatsiam-bola avy any ivelany!

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-12-20.

Miverina
footer-frame