NY NAMANA TSARA...SY NY NAMAN-DRATSY

Tsy mba nahatoky be fahantany ny olona rehetra ny taloha fa nandinika hatrany ny toetran’ireo izay nifanerasera taminy. Izany indrindra no nilazany hoe .”Ny ahiahy  tsy hihavanana” ary fantatr’ireo razam-bentsika fa ny tsy tia ny namany dia tsy hitondra soa ho azy na oviana na oviana. Nantitranterin’ny Ntaolo mandrakariva fa ny ratsy saina dia manao izay ahavery ny mpiara-belona aminy. Hoy indrindra ny fahendren-drazana: “ Fa raha misakaiza amin’ ny tsy tia ny namany ho soa ianao. Raha hitany tsaratsara, hosorany ratsy ho maimbo amin’ny olona; Raha hitany hisondrotra, hanamboarany fandi-totofana hikodia. Ary raha hitany tsara fihavanana sy mifankahay aman’olona, fahanany voankorontana hikorontana, ary asiany fandrava laka hirava.”. Noheverin’ny Ntaolo fa ireto toetra manaraka ireto kosa no mety  anisan’ny hamantarana  ny namana tsara: “ny tia fihavanana sy be fandeferana, ny tsy mizahozaho, ny malemy paika, ny tsy mba to fo na mpanao am-po, ireo izay mahazaka ny alahelo sy tsy manary amin’ny fotoan-tsarotra. Voalaza kosa fa ireo mpiha-tsaravelatsihy, mpandrava haren’ny manana na ireo ory hava-manana, ireo izay tsy mba minamana raha tsy amin’ ny manan-katao, ireo tsy miaraka amin’ny besinimaro ankaratsina sy ankasoavana dia noheverina ho naman-dratsy. “Ny havan-dratsy tsy mahaleo ny sakaiza tia ary izay tia amin’ny andro mahory no tena sakaiza tokoa”

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-12-13.

Miverina
footer-frame