IREO HIRA MAMINTSIKA


Ity lahatsoratra ity dia mitondra ny lohatenin’ny fandaharana mandeha isaky ny sabotsy hariva amin’ny 2 ora tolakandro ka hatramin’ny 3ora, ao amin’ny radio Feon’Imerina. Rasamoelina Désiré na i Moreno no miandraikitra azy. Ny tahirin-kevitra dia avy amin’ny tomponandrikitr’izany fandaharana izany fa manangona kosa ny gazety Feon’Imerina. Ireto indray àry ny mombamomba ireo hira fandrenao ao amin’izany fandaharana izany.

Ho an’izay mampiasa ny votoatin’ity lahatsoratra ity, dia hiangaviana hanambara ny loharano nangalana ny vaovao (Rasamoelina Desire Moreno, Radio Feon’Imerina)

 

VETSOM-PO MAMELOVELO

 

Hira noforonin’i Gilles Ramiarison ny tonony sy ny feony ary I Ossy no nihira azy. Anisan’ny hira be mpangataka tokoa izy ity ao amin’ny onjam-peo Feon’Imerina. Nisy fotoana anankiray izay, nanaovan’I Ossy fampisehoana tao amin’ny tranompokonolona Analakely ka raha andeha hihira azy ity izy, dia lokin’ny hehy teo anoloan’ny “micro”. Nahita izany ny mpijery ka mba toran’ny hehy toa azy koa. Voatery nakatona mihitsy aloha ny “Rideau” vao novohaina indray, ary taorian’izay vao natomboka ny hira. 

SOMPATRA 

Ny tena nahafantarana ity hira ity dia I Barijaona. Raobijaona Robert no namorona ny tonony sy ny feony. Ny tariny ihany no nikalo azy tany am-boalohany fa nohavaozin’I Barijaona kosa taty aoriana ary dia nisy novany ny tonony. Navoaka diska 45 tours izy tamin’izany ka ny zava-maneno nanaraka azy dia gitara notendren’I Gervais Randria sy ny tariny. 

TAPAKELATRA 

Ramboatiana Etienne na i Bouboul no namorona ity hira ity.  Efa ela tokoa no nihiran’i Bouboul ary mpampianatra mozika rahateo moa ny tenany ka nilomano tanteraka tao anatin’izany. Nanana tarika izy ary dia ireo ihany no nihira ny tapakelatra. Akoatra ny naha mpamoronkira an’ i  Bouboul dia nanavanana azy koa ny hatsikana. Raha nandalo teto nMadagasikara ny Cirque  Brasil dia voafidin’izy ireo hitety faritany niaraka taminy  hanao fampisehoana I  Bouboul. 

EMBONA FAHAVARATRA 

Hira noforonin’I JJ Tseheno ary nampihirainy an’i Gabhy sy Bernard Randrianarison ary Raymond. Ny zava-maneno nanaraka azy dia gitara notendren’I Bernard ihany. Anisan’ny hira be mpangataka koa ity hira ity ao amin’ny radio Feon’Imerina. Maro ireo tarika mamelona azy ity ankehitriny. Anisan’izany ny Gasy Miangola.

Eto ankibon'Imerina/Ireo hira mamintsika

 

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-04-05.

Miverina
footer-frame