Ny fanajan’ny Malagasy ny razana, izay
heveriny ho loharanon’aina, loharanon’ny taranany ary loharanon-karena no tondroin’ireo
misionera vahiny nonina teto ho sakana tsy nampandroso azy tamin’ny fotoanan’ny
fanjanahantany. Voalazan’izy ireo fa nifantoka fotsiny tamin’ny fitandroana ny
“ainy” ny Malagasy mba hitohizan’ny taranany. Vokatr’io fomba fisainana io dia
tsy zava-dehibe ho an’ny Malagasy hono ny ho avy fa aleony miaina amin’ny “eo
no ho eo” na ny “ankehitrininy”.
Vaindohan-draharahan’ireo mpitondra fivavahana tamin’izany ny nanaisotra tao an-dohan’ny Malagasy ny fitiavana ny razambeny. Nifamatotra tamin’io razana io manko ny kolontsaina nisy teto Madagasikara satria na ny tany nonenana aza dia nantsoina hoe “tanindrazana”. Ny tany sy ny olona ao aminy moa no nilain’ny vahiny hobaboina, koa dia niroso tamin’ny fandemen-tsaina maro samy hafa momba ireo izy. Ankehitriny moa dia maro no mihevitra fa tokony ajanona any amin'izay ny filaza hoe "tanindrazana", fa soloina amin'ilay teny mahasodoka hoe "tanin-janaka".
Voalohany nokosehina tamin’izany ny
“fandroana” fanaon’ny Malagasy ary nosoloina ny “fetim-pirenen’ny
mpanjanantany”.
Zato taona aty aoriana, betsaka ireo mponina
eto amin’ity Nosy ity no voalaza fa manaraka ny fivavahana kristiana ary tsy
mandala intsony ny fomban-drazana toa ny famadihana, fijerena andro sy ny sisa.
Ny tena zava-doza anefa ankehitriny dia
ilay toe-panahy mitandro hatrany ny “aina” mihitsy no voafafa tanteraka. Heno
etsy sy eroa amin’ny haino aman-jery samihafa ny habibiana sy ny herisetra
ifanaovan’ny samy mpiray tanindrazana. Ao ohatra ny fandorana velona ireo izay
noheverina fa nahavita heloka, ny famonoana amin’ny alalan’ny fitetehan’olona.
Tsy voafehy koa ny filàna: aolan’ireo maty eritreritra na dia ny zaza menavava
aza, eny fa na ireo olom-pady sy ny naterany aza. Tsy tambo isaina ny
fampiasan-kery hanesorana ain’olona mba handravana ny fananany.
Tany aloha tany anefa toa ny fatahorana ny
tsiny sy ny tody fotsiny ihany dia efa ampy nanakana ny olona tsy handatsaka
aina. Rehefa niditra teto ny fivavahana kristiana dia Andriamanitra sy ny
Razana indray no natahoran’ny ankabeazan’ny olona. Manizingizina tsinona ny
Ntaololahy fa efa ela no nahalala an’Andriamanitra ny Malagasy ary nantsoiny
hoe “Zanahary” Io natahorany io. Nivoatra ny
finoana ary noezahina nofafana indray ny hoe “Razana” taty aoriana. Tsy
misy firy mahasahy miteny ampahibemaso fa matahotra Azy intsony. Hamoramoraina
indray amin’ny hoe “mba matahora izay atahorako”. Anjaran’izay maheno no
maminavina izay hevitra tian’ilay miteny ambara!
Raha niala teto ireo misionera vahiny
dia nisy ny sahy nanambara fa zary
fakana tahaka ny nataon’ny vahiny fotsiny ihany no nahatonga ny ankamaroan’ny
Malagasy hanaraka ny fivavahana kristiana. Teo koa moa ny filàn-doka tamin’ireo
vazaha nitondra ary ny fahatahorana ny fotsy hoditra mihitsy aza no tena
nibahana tamin’izany.
Misy ny ny fifanarahana teo anivon’ny
UNESCO izay mampirisika ny rehetra hitady
ireo harem-bakoka tsy hita maso satria ireny no maha Firenena ny Firenena ary
mahaolona ny mponina ao Raha io no
dinihina dia mbola ho sarotra ihany ny hanatontosana izany eto Madagasikara.
Maro tamin’ireo nitahiry ny nentin-drazana sy ny vakoka no efa lasa nodimandry.
Raha nisy koa aza ny voatahiry dia efa niova nanaraka ny vanim-potoana sy ny
fandrosoana ihany ny andinindininy. Ny fomba amam-panao sy ny fahaiza-manao toy
ny fanenomana ohatra ary ireo foto-pisainana sy fiheverana mampiavaka ny firenena
iray manko no heverina ho anisan’ny hokarohina amin’izany. Ny antsika anefa dia
tena efa novain’ny vahiny tanteraka ireto farany ireto. Ireo misionera niasa
teto rahateo no betsaka nitantara ny fomba amam-panaon’ny Malagasy ary tena
mahakivy indraindray ny mamaky izany. Toa fanasokajiana ny Malagasy ho
baribarianina no tena ambetin-dresaka ao anatin’ireny fanadihadiana sy tantara
ireny. Mbola misy, na efa mihavitsy aza, Ireo
ray aman-dreny na Razambelona mbola tratra ankehitriny tena niaina
tanteraka tao anatin’ny fanjanahantany, ka tsy maintsy hanamarika azy tanteraka
ny fanabeazana noraisiny tamin’izany vanim-potoana izany. Tokony hitandrina
tsara araka izany ireo hiandraikitra ny fikarohana sao vao mainka handiso ny
tantara ka ilay olon’olom-poana niheveran’ny mpanjanaka antsika no mbola
hitoetra!