Iray ihany ny atao hoe melayu-polynesia sy
austronesia ary nusantara: sady vondron’olona no fianakaviam-piteny no heviny
ary hita izay mielipatrana manerana ny
faritry ny ranomasina India sy Pasifika. Tafiditra ao anatin’izany Indonesia,
Filipina, Malaysia, Madagasikara, Polynezia (Tahiti, Hawaii, Samoa,
Tonga), Mikronesia (Guam, Palau,
Marshall..) ary faritra Melanesia sasany (Fiji, Salomon, Vanuatu, Kanaky).
Ahitana karazany koa koa ao Taiwan.
Ny tantaran’izy ireo : tamin’ny taona -
5000 tany aho any ireo nosantara ireo, no niainga avy atsimon'iTsina (Chine)-
faritanin'i Shanghai ankehitriny. Nidina nianatsimo izy ireo ka niparitaka
tsikelikely, ao ireo nanohy nianatsimo, nisy koa ny niantsinanana sy
niankandrefana.
Inona ary ny mampiray ny mponina nosantara ? : Ny fiteny, ny fomba amam-panao, ny endrika amam-bika, ny fifehezana ny vezivezy an-dranomasina
NY FIFEHEZANA NY VEZIVEZY AN-DRANOMASINA
Raha ny tantaran’ny zanak’olombelona no
alalinina dia ny taranaka Austronesian na nosantara no mpiantsambo anisan’ny
kinga sy mahay indrindra satria tapitra novezivezeny avokoa ny 2/3 ny
ranomasin’ izao tontolo izao talohan’ny firenen-kafa rehetra eran-tany.
Vitany izany nohon’ny :
Fahaizany nanamboatra sambo (melayu: sambu na sambau), fiara (melayu: perahu) sy lakam-piara (pirogue à balancier). Isan-karazany izy ireo ka ny lehibe indrindra dia mahazaka hatramin’ny olona arivo sy entana arivo taonina. Hany ka voatatitra avokoa na ny olona na ny biby fiompy (omby, kisoa, alika, akoho) na ny zava-maniry maro avy any Asia (vary, akondro, voanio, fary, sns...), izay tongany taty Madagasikara sy Afrika ;
Fahafantarany ny zotran’ny rivotra sy ny ranomaria
;
Ny fahafantarany ny momba ny lanitra sy ny habakabaka (rivotra, rahona, kintana, sns.).
NY KARAZAM-PITENY NOSANTARA:
Maro ireo karazam-pitenenana avy amin’ny “aistranesian
fototra”. Ireo fitenim-paritra rehetra eto Madagasikara dia isan’izany. Efa ela
no nanaitra ny mpandinika ny fitovian’ireo teny ampiasaina eto Madagasikara sy
ny fahita any Asia.
NY FITENY ETO MADAGASIKARA:
Misampana maro ny Fiteny austronesian ary
isan’izany ny sokajin-teny Barito (Kalimantan). Ao amin’ny Barito indray misy
ny teny Maanyan izay anisan’ny
mifanakaiky indrindra amin’ny fiteny eto Madagasikara. Maro-karazana ireo
fiteny ampiasain’ny tompon-tany eto Madagasikara. Tamin’ny taona 1908 dia 33 ny
fitenim-paritany voatanisan’i Gabriel Ferrand. Na samy karazam-piteny austronesian
avokoa aza izy ireo dia misy ihany ny fahasamihafana.
Raha ny teny merina fototry ny “malagasy ofisialy” indray dia mihoatra ny 90 % ny voambolana fototra izay avy amin’ny lova nosantara. Ny ambiny, dia avy amin’ny teny Bantu, Arabo ( izay matetika nandalo tamin’ny Swahili), Sanskrita (India tranainy). Taty aoriana dia maro koa ny voambolana eropeana tafiditra.
KALIMANTAN, TANIN’NY RAZAMBE
Nosy lehibe indrindra ao Indonezia i
Kalimantan ary anisan’ny mifanakaiky indrindra amin’i Madagasikara ny fomba amam-panaony
sy ny fiteniny. Ny DAYAK no monina any
ary ny
Ma’anyan dia foko iray ao anatin’izany. Nahavariana ny maro hatry ny ela ny fitovizan’izy ireo amintsika. Azo lazaina fa anisan’ny toerana niavihan’ny razambe tonga teto Madagasikara i Kalimantan;
NY FOMBA FIAINANA SY NY KOLONTSAINA
Maro tsy voatanisa ny fitovizan'ny fomba
fiainana any Indonesia sy Madagasikara ka ohatra vitsy ihany no ho raisina.
Ny sakafo fototra: ny vary sy ny
hanin-kotrana isan-karazany (saonjo, soanambo, akondro…)
Ny fitaovam-piasana : Ohatra ny angady
lavalela izay niely fatratra tany Indonesia taloha ary mbola hita
mandrak'ankehitriny any amin-dry zareo Toraja any Sulawesi.
Ny tao-zavatra: Ny tefy vy toy ny
fampiasana tafoforana, ny tenona landy, ny rary isan-karazany, ny asa
tanimanga.
Ny fomba fitafy: Ny sikina, kitamby, sarimbona
,lamba, ny firavaka dia fitafin’ny mponina rehetra teto fahagola na ny vavy na ny lahy . Miampy
salàka ho an’ny lehilahy. Nanary tsikelikely izany fitafy izany isika rehefa
nifandray tamin’ny ny vazaha. Rainitovo (mpanoratra tamin’ny 1928) dia mitantara
ny antony nahatonga ny “Merina” natao hoe “Ambaniandro Lavasofina” ary milaza
ihany koa izy fa nanao tombankavatsy (tatouage) ny mponina tamin’izany. Fomba
hita any Indonesia ireo, indrindra moa any Kalimantan.
Hoy RANITOVO mitantara ny haingon’ny zatovon’Iarivo fahizay
: «ny volo rosarosa na vontsitonga, ny nify maintisina amin’ny laingo na bongo
na tambolo, ny sofina tevehina dia itarina miandalana amin’ny votoatin’ny
taho-mangahazo, dia tonga malalaka omby ratsatanana aza. Izany no atao hoe
haban-tsofina na lava-sofina ka nataon’ny betsileo hoe “Ambaniandro lavasofina
»
“Ny tombonkavatsy” koa no haingo fanaon’ny
vehivavy. Ny tratrany ambony ambanin’ny tendany iny asiany soratra ohatran’ny
somotravaivy na “festoon”, dia ny sandriny ambony hasiana tahaka iny koa. Izao
ny fanaovany azy : soratany tsara aloha dia arahiny tsindrontsindrominy
fanjaitra asompirana dia asiany ranon’anamamy sy arina.
Ny tao-trano iraisana amin’i Indonesia dia : ny trano efa-joro natao tamin’ny hazo, ny tafo avoavo ary misy tandro-trano.
Ny Tsangambakoka fahita eto Madagasikara
toy ny fasana izay atao eny an-tampon-kavoana, na ireo izay nasiana ambaratonga
na "tranomanara", (toy ny punden any Indonesia sy marae any Oseania),
ny vatolahy, ny fiarovana vohitra toy ny hadivory, ny manda tany na hazo, ny kianja na toerana voavoatra
vita rafibato maina dia fahita koa any Indonesia.