Bozy: F’angaha akia indry tsy miasa
Ketaka: Miasa akia fa mba mitsangatsangana!
Bozy: Aiza koa ny misy an’izany hoe miasa
nefa mitsangatsangana
Ketaka: Ka mitovy ihany anie na mijanona ao
amin’ny birao na mandeha mivoaka ety ivelany
Bozy: Aiza ny hampitovy an’izany?
Ketaka: Izany fotsiny e, aleo aza
mandehandeha aty ivelany mba mahita izay mahasoa
Bozy: Ka raha misy olona mitady anareo dia
ahoana ?
Ketaka: Dia mba miandry ao izy, amin’izay
koa mba volako mandehandeha izy rehefa miverimberina
Bozy: Mbola izany ihany ve ny fomba fiasa
vao mainka mihatonta
Ketaka: Tsy azoko ilay mihatonta. Na vonona
hiasa fahazato faharivo aza indry, tsy misy ny asa atao, tsy misy ny fitaovana
hiasana ka inona no hiova amin’izany
Bozy: Ka ny ministrareo milaza fa mandeha
tsara ny asam-panjakana
Ketaka: Ny karama aloha mandeha tsy tapaka
e… vao niampy kely aza izy amin’ity taona ity
Bozy: Ka mahafa-po ve ilay karama e?
Ketaka: Atao izay mahafa-po satria zara fa
miasa anie izahay
Bozy: Ka mba mampiditra ao amin’ny
kitapom-bolam-panjakana ary ve ny asa ataonareo
Ketaka: Inona no mampiditra eo, sady tsy
fahadisoanay anie raha tsy mandeha ny asa e!
Bozy: Ka ianareo anie manaiky matoa tsy
mihetsika e!
Ketaka: Hita moa akia izay manaiky, fa
hingitrika aza akia atao mainka fa tsy misy ny asa
Bozy: Dia mba ahoana ny fijerinareo ny ho
avin’ny firenena sy ny asanareo
Ketaka: Tsapanay ihany aloha fa manjavozavo
ny ho avin’ny asanay, ny firenena koa hitanay fa mikororosy saingy…
Bozy: Saingy ahoana e?
Ketaka: Saingy milamina ny eritreritray
satria, tsy hateza ange izao toe-javatra izao e!
Bozy: Ka ny ataonareo no manamafy orina azy
Ketaka: Indry kosa akia masiaka e!
i Pentsana