NY LAINGA SY NY MARINA

Toy izao ny famaritan’ny rakibolana ny lainga : Filazana mifanohitra amin' ny marina. Ny lainga tokoa dia fanafenana ny marina amin’ny resaka atao,  antsitrapo no hanaovana izany. Izany no mahasondriana ny mpandainga hanao ny toetra ratsiny satria mihevitra ho manan-kery sy manan-danja izy ireo. Mampitovy tena amin’Andriamanitra ny mpandainga ary mihevitra fa mahafehy izay mitranga. Hoy anefa ny Baiboly :

« Izay manovo eo amin’ny loharanon’ny marina ihany no mahalala ny marina. »

Mitovy hevitra amin’izany ny tany alohantsika rehetra satria tsy misy na iray aza mankasitraka ny lainga ka manasohaso ny olona mpandainga.

Angonim-poana toa lainga, fa raha tafavory mamoa-doza.

Aza manao lainga marivo tototra, ka hehezin' ny akoho tokan' anaka.

Raha zohiana ny hevitr’ireo ohabolana anankiroa ireo dia hita fa na loza no ateraky ny lainga,  na fahafaham-baraka. Manaitra ny saintsika ny ohabolana voalohany fa tsy misy antony tokony tsy hilazana ny marina satria loza no aterak’izany. Ny faharoa moa, mandrara mihitsy ary manome kisarisary somary mahatsikaiky no manamaivana rahateo ilay toetry ny mpandainga « reniakoho sy akohokely anankiray dia ampy hanapoitra ny marina.

Mety ho toy izao koa ny endrik’io ohabolana io :

Aza manao lainga marivo tototra, ka ny tongo-tsaka lazain-ko lanim-boalavo.

Raha fintinina ny hevitr’ireto ohabolana roa farany mitovitovy firafitra ireto, dia ny hoe mora fantarina ny lainga noho izy toa angano angano !

Izay mihevitra ny tenany ho olombanona dia tokony hatahotra ny fahaverezan-kaja sy voninahitra, na koa  ny fisokajiana azy ho ambany, noho ny toetra ratsy ananana na asa ratsy tsy mendrika nataony, ka tokony hiezaka hilaza hatrany ny marina. Mitafy henatra ny mpandainga fa izay manohana ny heviny na mivantana na ankolaka dia mitovy lenta amin’izany mpandainga izany.

Misy koa ny atao hoe « henatra iombonana » ilazana fahafaham-baraka mahazo ny fianakaviana ka heverina ho mihatra amin' ireo havana rehetra. Raha mpandainga ny loham-pianakaviana, tondroin’ny olona molotra miaraka aminy ny ankohonany. Tokony hifananatra arak’izany ny rehetra mba tsy hibaby henatra. Alao hery àry fa  ny mahavatra tsy manan-dratsy hoy ny ohabolan-drazantsika.

Inona no antony mahatonga ny olona handainga ?

Anisan’ny ambaran’ny ireo mandinika ny fitondratenan’ny zanak’olombelona fa « fandokafana », izany hoe ny fanindrahindrana na fandroboana no iray amin’ny fototrin’ ny lainga.

Mety ny tenan’ny mpandainga no indraindrainy, izany hoe manindrahindra tena ny mpandainga, fa ny hafa koa mety hanindraindra azy .

Azo antoka anefa fa zava-tsy marina no iaingan’izy ireo amin’io dokadoka  na fanindrahindrana io.

 Ratsy avy hatrany no ao an-tsaina raha vao maheno ny olona hoe « Tsy misy toa ahy », na « tsy misy mahavita ny vitako »

Hoy  tokoa  ny ohabolana :

Izay fatra-pila doka, tsy maintsy hanao ratsy.

Na koa hoe :

Izay tia doka ho sambotry ny sasany.

Araka ireo ohabolana ireo : ratsy avokoa na ny mpandoka na ny dokafana ary tsy maintsy hiharan’ny fitsarana !

Ny tanjon’ny mpandainga amin’ity resaka dokadoka ity dia tsy inona tsy akory fa ny fanambakana arahina fisandohana sy fisolokiana hoy ihany ny mpandalin-kevitra.

Natao hamelezana ny hafa hatrany ny lainga. Izay no nahatonga ny Ntaolo nilaza hoe :

Aleo mifanena amin’ ny mpamosavy, toy izay mifanena amin’y ny mpandainga.

Fantatra izao fa ny mpamosavy dia manampoizina mba hanimba na hahafaty izay kendreny, kanefa dia manitrtikitrika eto ny ohabolana fa mbola ratsy noho izany ny mpandainga. Azo takarina amin’ny hevitr’ity ohabolana ity fa raha azo fantarina ny mpamosavy satria fotoana voafaritra no mety ifanenana aminy, ary « manana fitafy manokana » hamantarana azy izy ireny ( mivoaka alina sy miboridana !) , tsy mba toy izany ny mpandainga satria na atoandro na alina , mety hifanena aminy ny olona ary tsy misy hahalalana manokana hita toy ny an’ny mpamosavy ka mety hahavoa ny daholobe.

Mitovy ihany koa ny fiasan’ny mpamosavy sy ny mpandainga satria mikendry hanapotika ny mpiara-belona.

Hoy ny ohabolana hoe ;

Ny lainga dia volombodin' ny mosavy.

Ity ohabolana ity izao dia manamafy fa iray tarika ihany ny « lainga » sy ny « mosavy ».

3

Miseho amin’ny fanodikodinan-dresaka koa ny lainga. Ity fisehony anankiray ity dia mety hatetim-pitranga eo amintsika Malagasy noho isika tia resaka sy safelin-teny mazàna. Raha vao fanodikodinan-dresaka no resahina, dia fanodikodinan-tsaina no tanjona amin’izany.

Raha ny fandinikin’ny Ntaolo, toy izao no endrika isehoan’ny « fanodikodinan-dresaka » eny arivon’ny fiaraha-monina eny :

Manao andiany ny olona te hanodikodin-dresaka na handainga, mifampizara raharaha izy ireo. Ao ny manamafy ny lainga amin’ ny fameriberenana izany hifantoka ao an-tsain’izay mihaino, ao ny manazava ilay hevitra ary manao azy toa marina, ao ireo mitaona hino ilay lainga ary ao ireo mandokadoka fatratra ilay loharano niavin’ny lainga.

Ity ohabolana ity no mamintina io « kisarisary » io :

Matin-drobon’ ny adrisa, ka fola-pen’ ny aketalahy

ary toy izao ny fanazavan’ny mpandalinkevitra azy : Sendra ny fatsora iray trano ka ny sasany mandroboka, mitaona; ny sasany kosa mamely.(Rajemisa 1985). Ny « adrisa » sy ny « aketalahy » moa dia samy valala, iry voalohany vavy ary ity faharoa lahy. Izany hoe miandahy miambavy mihitsy ny fandaingana sy ny famporisihana handainga raha ity ohabolana ity. Ampitovian’ny Ntaolo amin’ny biby araka izany ny tsy manampanahy mandainga . Ireo mino ny lainga kosa eto toa voalatsa ihany« voarobo », izany hoe :, nodokadookafana satria nisy zavatra tiana ho azo tany amin’ilay nofitahina, nampiasana teny mamy izay lainga entina mampirisika hanao ny tsy tokony hatao. Ny vokany, dia « fahafatesana » na « fahafolahana ». Mety tsy ho ara-bakiteny io fa ohatra azo ambara ny hoe « matin’ny hanohanana, alahelo, fahantrana » sns

4

Anisan’ny antony manosika ny olona handaiga koa ny fanafenana ny vokatry ny fitavozavozana teo am-panaovan-draharaha ka nahatonga azy tsy hahomby. Mitady antony maromaro ny mpandainga, arak’izany « hanamarinany » ny tsy fahavitany ny andraikiny. Mazava loatra fa na tranga nisy tokoa aza ny hanamarinany ny tandrevaka nataony, rehefa mandinika ny mpitazana hahatsapa ihany fa misy tsy fahamarinany ny fialantsiny naroso.

Ity ohabolana aroso ho antsika ity, tena mahalaza io tranga resahina io :

Milaza ho be raharaha ka ny voly vary indray no tsy efa.

Amintsika Malagasy, tsy iadian-kevitra fa ny fambolem-bary no foto-pivelomana. Ambara fa ny valopolo isan-jaton’ny mponina eto Madagasikara dia mpamboly. Fantatra rahateo fa ny « vary » no foto-tsakafontsika eto Madagasikara. N’inon’inona heverina ho « raharaha » lehibe tokony atao arak’izany, ny fambolem-bary no tokony ho vaindohany. Ity ohabolana ity dia manondro ny toetra mpanao antsirambina ka manadino ny zavatra mihatra aman’aina na ny fototry ny aina.

Ankoatra ireo voalaza ireo, misy antony anankiroa heverina ho tsy maintsy natao ka nahatonga ny olona iray handainga :

      Ny voalohany amin’izany dia ny mba.hiarovana ny hafa tsy ho latsaka ao anatin’ny alahelo. Amin’ny maha olombelona tokoa, indrindray misy toe-javatra tsy azo anoharana. Maha sadaikatra ny hilaza loza amoin’ny olon-tiana ka mety ampiala andraikitra ny olona ihany. Eo koa ny fahalalana ny toetr’olona izay mora tohina ka mahavoatery tsy hilaza aminy ny marina. Hoy anefa  ny ohabolana hoe :

Loza enti-mody ny marina tsy ambara havana.

Izany hoe raha tsy te hahita loza, aleo ihany mitsotra ny marina fa mitady fomba tsy hanairana ilay olona ary indridra koa, hoy ny ohabpolana hoe :

Ny lainga anie ka Alakaosy, ka raha tsy manoto olona dia manoto ny tena.

Tsy maintsy hitondra loza mandrakariva arak’izany ny fanafenana ny marina !

Ny faharoa kosa dia ny fahafatesan-kenamaso. Indraindray tokoa, ny fahatahorana izay holazain' ny olona momba ny tena na ny henamaso no manosika ny olona tsy hilaza ny marina. Noharin’ny Ntaolo tamin’ny ombalahy masiaka sy manoto ny « henamaso », ka izay no  enti-manala tsiny ny olona resin-kenamaso eo anoloan' ny mahery noho izy.  Mety ho lasa tranon-dainga arak’izany ny olona matin-kenamaso raha toa atahorany avokoa izay mifampiraharaha aminy.

Hoy ny tenim-pahendrena anankiray : « Tokony tsy ho resin-kenamaso fa izay efa voalanjalanjan' ny tena ka hita fa tsara no hatao. »
Ary hoy ny ohabolana hoe :

Hena masaka no mahavelona fa ny henamaso mahafaty.

 

Hamitinantsika azy, andeha ho tsiahivina ny tsy mampitovy ny lainga sy ny marina.

Ny marina dia ny zava-misy marina , raha toa kosa  ny lainga « fitsipi-pitondratena ratsy ». Rehefa tena dinihana ny lahateny ataon’ny mpandainga dia poakaty : tsy misy antsipiriany fa ankapoben-javatra. Olona iray mampanantena zavatra (rahoviana ary amin’ny fomba ahoana no hanatontosany azy ?). Tsy manana valiny mazava sy matotra amin’ny antsipiriany ny mpandainga ary tsy mirindra ny teny aloaky ny vavany sy ny asa ataony. Voasokajy ho mpamono olona mihitsy ny mpandainga raha ity ohabolana manaraka ity :

Izay manambosy mamarina an-kady, fa izay mananatra manavotra ny very.

Raha olona tsara fototra, ambony toetra tokoa, tsy tokony hamporisika ny mpiara-monina aminy hivarina an-kady ! Ary raha jerena eny anivon’ny fiaraha-monina, tsy izaran’ny olona henamaso ny mpandainga fa rabirabiany sy tevatevainy.

Ny olona tsy mamitaka, tsy mandainga, manaraka ny rariny sy ny hitsiny kosa  dia noharina tamin-java-tsoa maro. Izany no ambaran’ireto ohabolana reto :

  Ny olo-marina ohatra ny vato lava sorona: izay ametrahana azy mety avokoa.

Ny marina toy ny ketsa an-doharano : tomaratra marainamavana hariva.

Ary indrindra, hoy ny Ntaolo : « Vatsy tsy miohatra ny marina ! »

Ary ny fanirina ho an’ny tsirairay dia ny tsy amitahin'ny olon-tiana, tsy holaingain' olo-mahatoky !

Ramasinirina, FANDAHARANA: "Meteza ho olom-pirenena vanona"


 

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-11-13.

Miverina
footer-frame