Tsy amidy ny angola
Ny fitia tsy azo vola
Ny foko sy ny tena
No takalony omena
Voninahitra, harena
Vatosoa sy volamena
Samy tsy hisy mahavidy ô! ô!
Ilay anjara voafidy
Tsy mba varotra hiadiana
Ny fitiavan'olon-tiana
Lala ô! Ny antsika roa
Hiara-dratsy, hiara-tsoa
Na ho mora, na ho mafy
Na hifaly na hiafy
Na hisento hanjoretra ô! ô!
Aina ny antsika re no fetra
Justin Rajoro