ANTANANARIVO ANATY RANO

Manana ny anjara toerany ny rano eo amin’ny tantaran’ny tananan’Antananarivo. Ny rano no namaritana ireo faritra samihafa. Ny telo amin’Imerina enintoko dia nantsoina hoe, “Avaradrano,  Ambodirano ary Vakinisisaony”. Renirano lehibe toa an’Ikopa sy Sisaony ary Imamba no mikoriana mamakivaky na manodidina an’Iarivo.

Nataon’ny mpanjaka teo aloha, nanomboka tamin’andron’ Andriamasinavalona ho vaindohan-draharaha ny nanao ny fefiloha niarovana ny tanàna sy ny tanimbary amin’ny tondra-drano.

Hatramin’izao dia tsy mbola voavaha io resaka tondra-drano eto Iarivo io.

Efa nidona ny oram-pahavaratra, mitaintaina ny tantsaha sy mponina amin’ny faritra iva tsotra anefa ny mahantonga ny tondra-drano, vokatry ny lakandrano tsy voadio sy ny tata-drano eny amin’ny arabe, izay tsy voakojakoja. Efa nisy fotoana nandraisan’ny tomponandraikitra fepetra hanadio mialoha ny lakandranon’Andriantany izay mandalo an’Ampefiloha sns saingy ankehitriny dia tsy misy izany.

Zary vazivazy aza no ilazana ny tondra-drano, satria tonga hatrany am-baravarana ny trondro, ka vita eo an-tanàna ny fanjonoana. Saingy tsy vitan’ny vazivazy ny fiainana, satria azo lazaina fa loza mby ankoditra sy miverina isan-taona ny tondra-drano. Tsy maintsy misy ny faharavam-pananana, ny aretina tonga afa tsy ny famoizana ny ain-dehibe mihitsy.

Misy ny fepetra raisin’ny fanjakana amin’ny fitsinjarana ireo traboina saingy vahaolana vonjy tavan’andro ihany ireny , ny tena olana goavana dia ny tsy fahadiovan’ny lakandrano sy ny tata-drano.

Fandre matetika ny hoe Antananarivo Avaradrano sy Antananarivo Atsimondrano. Marihina fa tsy nisy teo amin’ny tantaran’Imerina sy Atsimondrano fa noforonina taty aoriana. Antananarivo Renivohitra no eo anelanelan’izay ahiana ho lasa Antananarivo anaty rano raha tsy voavonjy. 

NY NITANTANANA NY LEMAK’ANTANANARIVO FEHIZAY

Raha nanorom-ponenana teto ireo razambentsika dia nitady lemaka mba hambolem-bary, satria eny no misy rano. Tsy mba ritra manko ny rano teny amin’ireo heniheny teto satria harefo sy zozoro ary herana no nandrakotra ny tany. Talohan’ny nahazoana namboly, dia nivatsy sakafo avy any amin’ny ala atsinanana ny olona ka izany no nitadiavany hevitra hamboly. Isam-pahavaratra dia namboly katsaka, tsaramaso, voanemba, tsiaridrafy, ary voatavo ry zareo.  

FITARIHAN-DRANO 

Nanao tata-drano ary ny olona mba handritana ny heniheny ahazoana tany horaka. Ireo tany lemaka avo toerana kosa dia nitarihan-drano avy amin’ny lahin-drano ambony toerana, ka nanaovana tanimbary ho an’ny vary aloha. Ny vary vakiambiaty kosa no niandry ny andro fahavaratra toy ny ankehitriny ihany.

Nanomboka tamin’ny andron’Andriamasinavalona no nitarihan-drano ka nisian’ny vary aloha. Indraindray matin’ny orana ireny voly vary ireny rehefa tondraka ny rano. Io toe-javatra io no nampisy mosary matetika teto Imerina taloha. Teraka indray ny hevitra hananganana fefiloha avy eo. Na nisy aza anefa ny fefiloha, rehefa be ny orana dia mbola vaky ihany ka tsy maintsy namonjy “rano vaky” ny olona tamin’izany.  

NY FEFILOHA

Rehefa nitondra Andrianampoinimerina sy Ilaidama dia niezaka nanamafy ny fefiloha ary nampiakatra azy ireny ho avo kokoa. Namoronana lahin-drano maromaro ny renirano mba hanondraka ny lemaka. Nasiana vavin-drano koa anefa ireny lemaka ireny mba aharitra azy amin’ny fotoana ilana izany.

Anisan’ny lahin-drano lavabe vitan’Andrianampoinimerina ny tao Andranolava. Toy izany koa ny namilian’Ilaidama an’i Sisaony tsy hiodina an’Anosizato fa hanitsy teo Antangaina mba hivarina eo avaratr’i Faliarivo. Misy hady natao ho fandehanan’ny renirano izay raikitra ho Ankaditany ny anarany mandrak’androany.. Tsy vita tanteraka io lalan-drano io satria niamboho Ilaidama. Nokasainy hanamboarana ny lemaka tao Tangaina sy Ambohimangidy io lalan-drano nataony io.

Ny reniranon’i Sisaony taloha dia nitambatra tamin’Ikopa hatreo Anosizato fa namboarin’Andrianampoinimerina, naviliny miakandrefana handalo an’i Fenoarivo. Io no renirano farany namboarin’ny Ombalahibemaso ka izany no nahatonga ny anarany hoe :”Sisaony” na azo adika malalaka hoe “fara ony”

Mahavariana ny fandrindrana nataon’iero razambentsika tamin’izany fotoana izany, nefa tsy dia nisy olona nandalim-pahaizana toy ny ankehitriny fa nandinika fotsiny ny manodidina azy! 

Nanangona Ramasinirina

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-11-07.

Miverina
footer-frame