Tsy dia ahitana ala firy intsony eto amin'ny faritanin'Antananarivo, fa efa ringitry ny teviala sy ny doro-tanety avokoa. Izany moa dia vokatry ny fitombon'ny mponina izay mirimorimo fatratra. Laharam-pahamehana noho izany ny fikajiana ny ala tokana mbola misy eto amin' ny faritra Analamanga, izay hita any Anjozorobe.
Sahabo ho 100km ny halavan'io ala sisa velona io, ka mifanitsaka amin'ny Faritra Alaotra - Mangoro. Ny savaivony dia mahatratra 52.200ha, saingy mirimorimo fatratra ny fahasimbana mihatra aminy, ka tao anatin'ny 10 taona farany izay, dia ala maherin’ny 20.000ha no efa potika teo amin'ilay faritra.
Misokatra amin'ny mpizaha-tany ity alan'Anjozorobe-Angavo ity, ka efa misy lalana mirefy 10 km namboarina mba afahan'ny mpitsidika mihazo ilay toerana. Ahitana biby maro karazana rahateo ilay ala: Maky karazany enina , toy ny maky miloko mainty izay tsy fahita raha tsy ao ihany; vorona 70 karazana; biby mandady 41 karazana. Mampiavaka azy koa ny voalavo mpiraoka ahitra, izay tsy fahita raha tsy any Anjozorobe.
Misy karazan-java-maniry miisa 550 ao amin'ny alan'Anjozorobe-Angavo, ka ny 70 amin'ireo dia karazana orchidées avokoa. Ahitana zavamaniry fampiasa amin'ny raokandro koa ao.
Eo amin'ny lafiny kolontsaina, dia ahitana “Doany” ao amin'ny alan'Anjozorobe-Angavo.
Misy amin'ireo mponina no miasa maimaim-poana hiady amin'ny fanimbana ny ala sy ny doro-tanety.
Tsara marihina fa i Madagasikara dia voasokajy ao anatin'ireo firenena 17 hitobian'ny ampahany be indrindra amin'ny harena voajanahary (pays de mégadiversité biologique). Ireto izany firenena izany:
Afrika: Afrika Atsimo, Madagascar, RD
Congo; Any Amerika: Brésil, Colombie, Equateur, Etats-Unis, Mexique, Pérou,
Vénézuela; Any Azia: China, India, Indonezia, Malaysia, Philipines; Any
Pasifika: Aostralia, Papouasia, Nouvelle-Guinée.