Samy nanana ny asa nahazatra, arakaraky ny
toe-tany nisy azy ny Malagasy .
Ny fambolena kosa anefa dia saiky nanao avokoa ny mponina nanerana ny Nosy. Niraisan’izy ireo, araka izany, ny fananana angady izay nipoiran’ny oha-pitenenana hoe “angady nananana sy vy nahitana”, mba hanondroana ny olona nahitan-tsoa , na koa ny hoe “vavolombelon’ny mpiasa, ny bainga”. Ity fomba fiteny faharoa ity dia entina hanambarana fa mila porofo hita maso ny olona mba hanamarinana ny zava-bita. Ny voly tena hita nanerana an’i Madagasikara dia ny haninkotrana na hanin-tranainy izay nisokajiana ny vomanga sy mangahazo. Manaraka an’ireo dia ny voanemba, ny apemba, ny saonjo, ny voanjobory ary ny akondro. Ny vary kosa dia samy nanao, fa samy nanana ny fomba fambolena azy fotsiny. Ny faritra manamoron’ala dia famaky no nampiasaina hambolena ary io no niandohan’ny hoe “mitevy ala”: kapaina ny hazo dia dorana ary ny lavenona no lasa zezika. Malemy ho azy avy eo ny tany ka tsy asaina intsony fa sorotsorohina fotsiny alohan’ ny hambolena. Voly vary an-tevy no filaza io fomba io. Ny teto Imerina no tena nanao ho asa fivelomana ny fambolena. Voaasa avokoa taloha na ny tany lemaka na ny tampo-tanety. Andro aman’alina ny fotoam-piasana rehefa diavolana, ka teo no nipoiran’ny hoe “lohataon-diavolana ka ny miherika aza hitany”, izay midika hoe “sarobidy ny fotoana na ny faran’izay kely indrindra aza.”
Fandaharana: "Eto an-kibon'Imerina"