LALANA DIMIVENTISITELONJATO

Ny 29 Martsa 1881 no nanao kabary miezinezina teo Andohalo ny Praiministra Rainilaiarivony, mbola fanjakan-dRanavalona II tamin'izany. Natolotra ho fanta-bahoaka ny Lalàna Dimiventisitelonjato izay  lalàna nirosoana tamin'ny fitsinjarana raharaha sy ny fifehezana ny fanjakana ho tan-dalana.

   NY FITSINJARANA NY FAHEFANA

Toy ny fahita amin'ny tany mandroso rehetra, dia efa nisy ny misahana ireo antokon-draharaha goavana tamin'izany. Ministra no azo ilazana ireo tomponandraikitra samihafa ireo, satria ny Mpanjakavavy sy ny Praiministra rahateo no nanendry azy ireo

   Rainitsimbazafy 15 voninahitra no niandraikitra ny Ati-tany nampian-dRainizanoa 13 voninahitra, Rakotovao 10 voninahitra ary Rafaralahitsimandresy. Ny Ati-tany no nampiasa antily izay nitandro ny filaminam-bahoaka sy ny fahadiovan'ny tanana, misambotra ny voampanga

 Ravoninahitriniarivo 15 voninahitra no nisahana ny Raharaham-bahiny, ampian-dRainandriamampandry 13 voninahitra sy Andriamifidy

Ny raharaha ifandraisan'ny malagasy sy ny vazaha eto an-toerana no sahaniny, ary vain-dohandraharaha ny  fifandraisan'i Madagasikara amin'ny firenena any ivelany. Ny fanatanterahana ny fanekena vita tamin'ny vazaha dia mbola izy ihany koa  no niahy azy.

  Ny Praiministra Rainilaiarivony no Lehibe faratampon'ny Tafika ka antsoina hoe Commander in chief, Rainilambo 15 voninahitra ampian-dry Ramariavelo sy Ramahatra ary Radriaka no miadidy ny manamboninahitra sy ny miaramila rehetra. Izy ireo no manaramaso ny fampianarana ny manamboninahitra sy ny miaramila, mandalanjalanja ny zava-bitan'ny manamboninahitra ka ilana valisoa, miantso ny olona ho miaramila sy manala ny miaramila efa nahavita fanompoana. Izy ireo no manondro ny manamboninahitra sy ny miaramila hiantafika, manendry ny miaramila hiandry vavatany. Mbola azy ireo ihany koa ny fitantanana sy  ny  fikojakojana ny fitaovam-piadiana

  Razanakombana 14 voninahitra sady ODP no nisahana ny Fitsarana ampian-dRalaitafika 13 voninahitra sy Ramarolahy

Ralaitsirofo Andriambaventy no lehiben'ny fitsarana manampy azy Rainimamonjy 14 voninahitra sy Ratiaray 10 voninahitra samy dekan'ny Praimininistra

  Rainimiadana 14 voninahitra nampian-dRahagamainty 10 voninahitra ODP sy Rakotofiringa no nisahana ny Varotra sy ny Fambolena  ary ny Tao-zavatra

Izy ireo no manaramaso ny fambolena, ny vokatra, izay olona mendrika valisoa noho ny vokatra tsara sy be  azony. Mampirisika ihany koa ny famahanana ny omby sy ny biby fihinana. Mitantana ny valisoa omena isan-taona ny mpiompy matavy omby indrindra sy mampakatra vokatra be indrindra. Mampirisika ny fanaovan-tao-zavatra sy ny famoronana hai-tao vaovao momba ny rafi-kazo, tefy vy, tefy firavaka, pai-bato, rafi-bato sy rafi-biriky ary ny tao-trano, ny famoronana fitaovam-piasana. Ity ministeran'i Rainimiadana ity no mitantana ny valisoa omen'ny Mpanjaka isan-taona

 Rainimahajere no nisahana ny Fitantanam-bolam-panjakana nanampy azy ny Andriambaventy Rainandrianary sy Rainimalanjaona 10 voninahitra sy Rainiboanary 10 voninahitra. 10 voninahitra samy ODP izy ireo. Io ministera io no miadidy ny fampidirana sy famoahana ny volam-panjakana, mandrotsaka ny vola tokony haloa mankany ivelany

    NY FIFEHEZANA  FANJAKANA HO TAN-DALANA

Ireo Ministra sy tomponandraikitra voalaza tetsy aloha dia nomena adidy sy andraikitra nampihatra ny Lalàna Dimiventisitelonjato, mahasahana ny fiainana ankapobeny na ara-pitondrana na ara-piarahamonina na ara-toekarena sns. Ny zava-misy tamin'ireo fanjakana nifandimby teo aloha no nakana hevitra nandrafetana ny Lalàna Dimiventisitelonjato. Marihina fa mifampiankina sy mifampiditra ary mifameno ny lalana eo amin'ny lafiny ara-pitondrana sy ara-piarahamonina ary ara-toe-karena

 NY  LALANA  ARA-PITONDRANA

Nokendrena eo amin'ilay Lalàna Dimiventisitelonjato, ny isian'ny rafi-pitondrana mazava, mba hanajan'ny vahoaka ny mpitondra azy. Ireto avy ny karazan-dalàna navoaka mivantana amin'izay tokony iantefany, na mahakasika sokajin'olona toy ny mpitsara, ny andevo, ny fitandroana ny filaminana ao anatin'izany ny antily sy ny fokonolona ary ny miaramila, ny fiarovana ny ambaniandro, ny mpitondra fanjakana, ny mpigadra, ny mpanakorontana sns. 

NY  LALANA  ARA-PIARAHAMONINA

Zava-dehibe kendren'ny Lalàna Dimiventisitelonjato ny fisian'ny fiarahamonina mirindra. Maro ireo lalàna navoaka nafantoka amin'ireto sokajin-javatra samihafa ireto toy ny : ny fanambadiana, ny boka, ny nendra, ny arabe, ny lalan-kely, ny fananan-tany, ny fampanofana tany, ny fanafody, tafiditra ao anatin'io ny mpivarotra sy mpanao ary mpamboly ilay fanafody, ny raharahan-tsekoly ka tafiditra ao ny fandatsahana ankizy hianatra sy ny fampanaovana fanadinana ary ny fikarakarana ny mpampianatra, ny toaka sy ny zava-mahadomelina. 

NY LALANA ARA-TOEKARENA

Tsy nataon'ny Lalana Dimiventisitelonjato ambanin-javatra ny lalàna mifehy ny ara-toekarena, satria zava-dehibe ny fihariana sy ny fiveloman'ny olona. Namoahana lalàna ny mikasika ny omby, ny kapoaka famarana, ny mizana fandanjana, ny fitaovam-pandrefesana, ny fiarovana ny ala.  

Telopolo  amby zato taona lasa izay no nivoahan'ny Lalàna Dimiventisitelonjato, tamin'izany fotoana izany dia efa nahatsapa ny mpitondra fa ilaina ny lalàna ifampifehezana sy ny fanajana ny lalana velona ary manana adidy izay nomena fahefana

Ankehitriny maro ireo lazaina ho tomponandraikitra sady mandray volabe sy mahazo  tombontsoa mihoampampana saingy izy ireny indray no ambonin'ny lalàna .

 Tsy tambo isaina ireo sekoly mikasika ny lalàna sy ny fitantanan-draharaha eto amintsika, ankoatr'izay maro ireo fihaonana sy fivoriana eto an-toerana sy iraisam-pirenena miresaka ny fanarahan-dalana sy ny fanjakana tsara tantana. Indrisy anefa fa dia zary fivoriana fakana tambiny sy fihinanan-kanina fotsiny izy ireny fa dia lohalaharana isika malagasy ankehitriny eo amin'ny gaboraraka sy fandrobana ny harem-pirenena.

Voasoratra tao amin'ny lalana Dimiventisitelonjato ny fanomezan'ny mpanjaka valisoa ireo mendrika teo amin'ny asa aman-draharaha .

 Telopolo amby zato taona lasa izay ny nivoahan'ny Lalana Dimiventisitelonjato. Aiza ho aiza ny misy antsika izao ?  

Ambava homana ampo mieritra  

ODP: Officier De Palais

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-07-02.

Miverina
footer-frame