Mihevitra
hatrany ny Malagasy fa tsy misy mahatafita ny tenany samy irery izany fa raha tafita aloha ny tena, narovan'
ny avy aoriana no nahavitana izany. Hoy ny ohabolana manao hoe:
“Tafita aloha,
alalan' ny aoriana “
Mifampiankina
hatrany ny fiainan’ny zanak’olona ka tsy maintsy mahalala izany ny manam-panahy.
Ny fahafantarana io fifampiankinana io no maniraka antsika hanaja ny
lalam-pihavanana dia ny firaisankina ka nlazantsika hoe:
“Mita be tsy lanin' ny mamba “
Raha ny daholobe tokoa no miara-manao zavatra,
tsy iharan-doza be fahatany.
Fa na be toy inona aza ny olona
rehefa tsy miray hina tsy mahavita n’inon’inona, indrindra moa raha be
finiavana fotsiny fa tsy manam-pahamalinana:
“Ny mahery tsy maody tsy ela velona “
Tokony hitandrina sy ho malina ny
matanjaka sao sendra ny tampoka tsy maha-lehilahy. Enti-milaza fa na matanjaka aza ianao nefa tsy
malina dia mety tsy ho ela velona.
Ny
tsirairay koa ao anatin’izay zavatra tiany atao dia tokony hahatsiaro
hitsimbina ny tenany mandrakariva:
“Ny kibo tsy mba lamosina , ny tsinay tsy mba vatsy”
Mila mitandro ny ainy ny olona mba
ahafahany manatontosa ny ataony na ny ampanaovin' olona, izay tokony hivelomana
tsy azo hadinoina. Ilaina koa anefa ny mamantatra ny hevitry ny mpiara-monina
sao sanatria tondroin’ny olona ho miseho ivelany fotsiny ka esoin’ny olona toy
ity lazain’ny ohabolana ity:
“Mietaketaka foana ny aketa, mirisarisa foana ny adrisa,
fa tsy enina anay mitratraingo “.
Eto Ankibon'Imerina/Meteza ho olom-pirenena vanona: RAMASINIRINA