Rotika ny
foko ry nosy tena mamiko
Mijery ny
hamotehana ito faritaniko
Vola sy
harena no entina hanambazana
ny tsy ampy
fiheverana, hanary tanindrazana!
Fantara izao fa ny mpanjanaka taloha
No
mizahozaho sy mampiasa atidoha
Hambabo sy
hangeja ny fahaleovantena
Kanefa dia
miroboka sy manolo tena
Ireo mpiray fiaviana amiko eto an-toerana
Tsy misy
manakiana, ny manaiky moa tsy ferana
Miray
tsikombakomba manohana izay tsy izy
Tsy
mihevitra akory ny ho avin’ny ankizy
Hitondra ho aiza anefa izato fanarahana
Antokon’herisetra
izay mibahambahana?
Tondro
molotra ange no fankatoavana
azon’izy
ireo avy amin’ ny lafin-kavana
na ny avy any dilambato na ny eto an-toerana
Tsy misy
mankato, tsy misy mety hiserana
Aty
an-tanindrazana fa manidy fo
Amin’ireto
olona sokajiana ho lo!
Mifona mihitsy aho ry tany izay tsy foiko
Tsy afaka
mitraotra, lany andro mitoloko
Ny
firaisankina no hitako tsy ampy
Ka
mampisalasala ireo izay te hanampy
Tsy sasatra ny maro mitady fanafody
Kanefa
hatrami(n’i)zao tsy mbola mety tody
Vahaolana
matotra hamongorana tanteraka
Ny asan’ireo
ratsy izay mampivalaketraka
Adray ry tanindrazako tena very mihitsy
Ny
soatoavina noho ireo olom-bitsy
Minia tsy
mijery ny hasarobidin’ny
Fiandrianam-pirenena,
tena farahidiny!
RAMASINIRINA