Eritreritra,
nofy mangina,
Hovitrovitra
saika tsy re,
Kopak'elatra,
ho aiza? - Hiampita.
Any
an'inona? - Tany tsy hita.
Nefa feno
ny zavatra irina,
Feno azy
ary be dia be ...
Kopak'elatra
ho aiza? - Hiampita...
Hovitrovitra
saika tsy re...
Hovitrovitra...
Ny antony? - Asa!
Fa malemy
ny nofo ka jamba!
Toa fanahy
no sisa mameno,
Izy ihany
no sisa mba heno
Mampangina
ny otan'ny lasa!
Ny
vovoka,hiverina angamba...
Toa fanahy
no sisa mameno,
Fa malemy
ny nofo, ka jamba!
Dia
fangorakorahana sisa...
- O! mbola
olombelona ihany!
Vao tanora,
ka ho lasa sahady?
Zanak'ondry,
ka halavon'ny tady?
-
Eritreritro tonga madisa,
Nifamatotra
tsy hita lany...
Vao tanora,
ka ho lasa sahady?
- O! mbola
olombelona ihany!
II
Injao
mihodina mora dia mora
Ny
eritreritro lasa mandeha.
O ry
fahatanorako ho fohy,
Fa efa
miditra ilay lava-johy
Tsy
ivelaran'ny tsiky tanora,
Na
idiran'izay rehareha!
O! ry
fahatanorako ho fohy,
Ny
eritreritro lasa mandeha!
Toa voron-kiantefa
any an-koatra
Izany
fiaingany anatiko izany
Efa feno
dia feno fanahy,
Vonombonona,
tsy mba manahy...
Tebiteby,
kanefa tsy loatra,
Tebiteby
aminao, o ry tany!
Efa feno
dia feno fanahy
Izany
fiaingany anatiko izany!
Tebiteby...
Mangina!
Mangina!
Mangina, o ry nofoko ho rava,
Mangina, o
ry nofoko omaly!
Fitsaharana
anie hampifaly;
Raha ho
lasa, veloma, masìna,
Any
an-koatra, ilay Fiainan-ko lava!
Mangina, o
ry nofoko omaly!
Mangina, o
ry nofoko ho rava!
J. J.
Rabearivelo
(Ny Mpandinika,
N° 128, 7 mey 1926