Tononkalon’I Dox na Jean Verdi Salomon Razakandrainy,
nasian’I Fredy Raoilifahanana feony ary nampihiraina an’i Line Karah sy Charles
Razafindrafahatra. I Line Karah moa dia nodimandry tany
Etazonia tany. Ny Radio Feon’Imerina no azo lazaina ho tokana mandefa ny
raki-kiran’ity mpanakanto ity ka nanjary nahafantaran’ny taranaka taty aoriana
ny sanganasany. Tsetsatsetsa tsy aritra no hitantarana fa any
am-pitan-dranomasina no nifanenan’ny mpitantana ny Radio Feon’Imerina tamin’ny
zafikelin’I Line Karah. Miteny gasy tsara io zafikeliny io.