VONINAVOKO

Gilles Ramiarison na Gilbert Ramiarison no namorona ny tonony sy feon’ity hira ity. Izany Martin izany no nampihirainy azy ary ny tariny ihany no  nihira azy. Nivoaka diska 78 Tours ity hira ity. Nipetraka tany am-pita moa I Gilles Ramiarison ary rehefa zokiolona dia niverina teto Madagasikara. Tamin’ny fotoana nipetrahanay teto, dia namangy matetika ny Radio Feon’Imerina izy. Tamin’izany no nampahatsihiviny fa ny foibe misy ny Radio Feon’Imerina ao Ambatobevanja dia anisan’ny kianja nilalaovany mozika. Marina tokoa izany satria ny mpitantana ny Feon’Imerina dia zafikelina mpanankanto. Nisy tamin’ireo ray aman-dreny tao no mpampianatra piano nikoizana, tao ny nanao ny ravaky ny sehatry ny tropy Jeannette tamin’ny fotoan’androny, tao ny mpitsoka saxophone. Tsaroan’I Gilles Ramiarison tsara fa nampiantrano ireo artista te hanao famerenana ireo olona ireo ary tsy nakany sarany izany fa nomeny maimaim-poana.

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-05-02.

Miverina
footer-frame