AVIA HILALAO

Hira noforonin’i Barijaona ny tonony sy ny feony. Izy sy Ossuza vadiny ihany no nikalo azy.  Raymond Razafimbahiny kosa no nitendry ny piano nanaraka azy. Navoaka diska 45 T izy ity. Nahitan’i Barijaona olana izy ity teo amin’ny lafin’ny asa famoronana fahiny. Tany am-pitan-dranomasina tany dia nisy feon-kira noforonin’ny vahiny (Franck Sinatra) nitovy tamin’ny feon’ny “Avia hilalao”. Nifandrirotra teny amin’ny fitsarana tany ivelany tany araka izany I Barijaona sy ilay mpamoron-kira vahiny. Natanjaka sy nalaza moa ilay vahiny ka very rariny i Barijaona.

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-05-02.

Miverina
footer-frame