Rehefa nisy ny fifandonana teo amin'ny
FRS sy ny mpianatra nampian'ny ZWAM, dia nirotsaka nidina an-dalambe niaraka tamin'
ny mpianatra, ny mpiasa sy ny ray aman-dreny. Tonga hatramin'ny fitakiana ny
fialan'ny mpitondra ny resaka. Tsy nitsahatra ny fihetsiketsehana, raha tsy ny
Alakamisy 18 Mey 1972, nanomezan'ny Filoha Tsiranana Philibert fahefana ny
Jeneraly Ramanantsoa Gabriel, hanangana ny fitondram-panjakana handamina ny
tany sy ny fanjakana.
NY FOMBA NANDRAFETANA ILAY FITONDRAM-PANJAKANA
Niavaka tamin'ny teo alohany ilay fitondram-panjakana, satria 10 monja
no isan'ny ministra, ka 4 ireo manamboninahitra, ny 6 kosa dia teknisiana
avokoa. Miaramila avokoa no notendrena ho lehiben'ny faritany 6. Tsy mpikambana
tao anatin'ny antoko politika ireo ministra notendrena. Voasolotena tao
amin''io fitondram-panjakana io avokoa ny faritany enina.
NY NAMPIAVAKA ILAY FITONDRAM-PANJAKANA
Raha vao nandray ny fahefana natolotra azy ny Jeneraly Ramanantsoa, ny
voalohan-teniny dia ny hoe: “Miaramila
aho fa tsy mpanao politika, ka ampatoriana aloha ny politika”.
Raha vao tafatsangana ilay fitondram-panjakana, ny fanapahan-kevitra
noraisina voalohany indrindra, dia ny famotsorana ireo gadra politika,
anisan'izany: Monja Jaona, André Resampa, Rakotonirina Regis sns, nambara ihany
koa izy fa tsy miankina amin'ny antoko politika ny fitondram-panjakana, ary
nalalaka ny fanehoan-kevitra na teo amin'ny Radiom-pirenena na teo amin'ny
Televizionam-pirenena.
Nofoanana ny hetra isan-dahy sy ny hetran'omby, novelomina indray ny
rafitra fokonolona, fomba fitantanana tamin'ny andron'ny Mpanjaka
Andrianampoinimerina. Teo amin'ny fifandraisantsika amin'ny any ivelany dia
nohavaozina ny fifanaraham-piarahamiasa Malagasy sy Frantsay. Nalefa nody ireo
miaramila frantsay. Niverina tamintsika malagasy ny Lapan'Ambohitsorohitra, ny
Trano maromaro teo Ambohidahy, ny Toby miaramila, teny Betongolo, Ivato ,
Fiadanana ary ny tany Antsiranana.
NY FITONDRAM-PANJAKANA: LOHARANO NIPOIRAN'IREO MPANAO
POLITIKA
Ny ankabeazan'ireo ministra tao amin'ny fitondram-panjakana notarihan'ny
Jeneraly Ramanantsoa dia mbola nanohy hatrany teo amin'ny raharaha politika
taty aoriana, afa tsy mpikambana telo dia Andrianada Jacques Ministry ny
fitsarana, Manambelona Justin Ministry ny fampianarana sy Ramaroson Albert
Marie Ministry ny toekarena sy ny vola.
Ny efatra tamin'ireo ministra dia nitana ny toeran'ny Filoham-pirenena
taty aoriana: Ny Jeneraly Andriamahazo Gilles Ministry ny fanajariana ny tany,
Ny Kolonely Ratsimandrava Richard Ministry ny atitany. Ny Capitaine de frégate
Ratsiraka Didier Ministry ny raharahambahiny, ny Pr Zafy Albert Ministry ny
fahasalam-bahoaka. Ny roa tamin'ireo ministra dia nitazona ny toeran'ny
Praiministra koa taty aoriana, ny Kolonely Rakotomalala Joel Ministry ny
filazambaovao sy ny Dr Rakotovahiny Emmanuel Ministry ny fampandrosoan ny eny
ambanivohitra.
Ankehitriny ny telo mirahalahy sisa velona dia ny Amiraly Ratsiraka
Didier, ny Dr Rakotovahiny Emmanuel ary ny Pasitera Rajakoba Daniel izay
Ministry ny asa sy ny asam-panjakana.
Ny fitondrampanjakana notarihan'ny Jeneraly Ramanantsoa no fitondrana
tetezamita voalohany. Na dia miaramila manamboninahitra aza ny mpitarika sy
ireo ministra sasany tao, dia tsy mba nampiasa hery tamin'ny vahoaka, sady
nalalaka tanteraka teo amin'ny fanehoan-kevitra. Nanome lanja ny fokonolona ary
tsy mirobaroba tamin'ny volam-bahoaka fa nampihatra ny politikan'ny fitsitsiana.