LAZAINA SY NY KOBAN'ONDRY

Vohitra iray eny Avaradrano, manana ny tantarany manokana sy iavahany amin’ny vohitra rehetra i Lazaina,  izay efa  600 taona mahery ny niorenany. Miavaka izy amin’ny maha renivohitry ny Zana-dRalambo azy ary eo amin’ny lafiny finoana dia manana ilay soatovina izay hankalazaina isan-taona dia ny Koban’ondry izany. 

LAZAINA 600 TAONA MAHERY

Tany amin’ny taona 1400 no niforona ny vohitra teo Lazaina, tsy mbola teo amin’ny toerana misy azy ankehitriny  akory no nisy ny tanana fa teny atsinanana, Amboniloha no toerana nisy ny tanàna tamin’izany. Tamin’ny andron’ny Mpanjaka Andrianjaka dia nangataka hifindra aty amin’ilany andrefana ny mponina, satria lavitra loatra ny tany fambolena. Neken’Andrianjaka izany fangatahana izany ka nifindra teny Analafisaka, izay no anaran-tanàna teo aloha. Ka ny nahatonga ny hoe “Lazaina” dia niainga avy amin’ny hafatry ny Mpanjaka hoe efa “no Lazaina ianareo fa mahazo mifindra toerana amin’izay”, dia nanomboka teo dia adino ny hoe Analafisaka, fa Lazaina no anaran’ny vohitra.

amin’ny andron’ny Mpanjaka Ralambo indray dia tao Lazaina no vohitra nomeny ny zanany lahimatoa Andriampanarivomanga ho fehezina, ka izay no nahatonga an’i Lazaina ho lasa Renivohitry ny zana-dRalambo, tao no nanao ny fitsidihana ara-panjakana ireo mpanjaka nifandimby.

Tamin’ny andron’ny Mpanjaka Andrianampoinimerina indray dia ao Lazaina ny sisintany mampisaraka ny Tsimahafotsy sy ny Tsimiamboholahy, ka ny tanàna avaratr’i Lazaina dia an’ny Tsimahafotsy ary ny atsimony kosa dia an’ny Tsimiamboholahy. Nisy vato napetrak’Andriampoinimerina nanamarika izany fizarana izany ao an-tampon-tanànan’i Lazaina.

Ankoatr’ireo dia ao Lazaina no vohitra fakan’aina na fiatoana ho an’ny Mpanjaka sy ny mpiaradia aminy na avy any Ambohimanga hiakatra an’Antananarivo na ny avy aty Antananarivo hidina eny Ambohimanga. Nanomboka tamin’ny andron’ny mpanjaka  Radama I dia nihitatra manerana an’i Madagasikara ny fanjakana. Maro ireo komandy sy governora niantafika sy nifehy ireo faritra samihafa, maro amin’izy ireo no zanak’i Lazaina toa an’i Rabeony 15 Voninahitra governora tany Ambatondrazaka, Raharinosy 12 voninahitra governora tany Mananara,  Rainizanaoera 11 voninahitra governora tany Fenoarivo Antsinanana, Ramasimbazaha 14 voninahitra governora tany Boina, Raholidina 10 voninahitra governora tany Mahajanga, ary Rainizanatsara 15 voninahitra, komandin’ny Lapa tao Manjakamiadana. Anisan’ny nampiavaka ireo komandy ireo ihany koa ny nanorenany trano tao Lazaina, izay  vakoka mampiseho ny endriky ny trano maoderina, anisan’ireo trano biriky voalohany tao Lazaina, toy ny tranon-dRabeony.

 NY FIANGONAN’I LAZAINA

Ny zanaka ampielezan’i Lazaina nivavaka tao Ambatonakanga no nana-kevitra hanangana fiangonana teny an-toerana. Ilay Misionera Anglisy William Ellis no mpitandrina tao Ambatonakanga tamin’izany, nankahery ny zanaka  ampielezana I Ellis niaraka tamin’ny Cousins izay misionera ihany koa. Niatomboka tamin’ny 1862 ny asa fananganana ka nifarimbona tamin’izany ny zanak’ampielezana avy ao Ambatonakanga, ny misionera ary nandray anjara ihany koa ny mpanjaka Radama II, Fiangonana trano hazo no natsangana. Tamin’ny 1863, voalohan’ny volana Novambra no notokanana ny fiangonan’i Lazaina, mbola tonga tao ny misionera Ellis sy Cousins, Rainimanga Ranahy avy ao Anatirova no mpitoriteny ary Ramaniraka 14 voninahitra no nisolotena ny mpanjaka Radama II.

Marihina fa tsy misy fiangonana afa tsy iray ao Lazaina dia ny FJKM izany, nifanaraka ny zanak’i Lazaina rehetra fa malalaka ny fanarahana antokom-pinoana hafa saingy rehefa tonga ao an-tananan’i Lazaina dia ao amin’io fiangonana io ihany no miara-mivavaka.

Tao Lazaina izany no nisy ny FFKM voalohany indrindra. 

NY KOBAN’ONDRY

Tamin’ny fitokanana ny fiangonan’i Lazaina ny 01 Novambra 1863 no natao ny koban’ondry voalohany.

Midika ho fampihavanana ny koban’ondry satria nandritra ny fanjakan’ny Mpanjaka vavy Ranavalona I izay  nisian’ny fanenjehana ny mpino kristiana dia nivakivaky ny mponina noho izany. Tao Lazaina no nisy ireo maritiora toa an’i Ramamonjy sy Ranivo izay nampitondraina ny anaran’ny fiangonana ankehitriny. Rehefa foana izany ka nalalaka ny fanarahana ny fivavahana kristiana dia nanapa-kevitra ny tao Lazaina fa ny koban’ondry no fanamafisana indray ny fihavanana. Ara-tsoratra masina dia noheverina fa toy ny zanak’Isiraely mbola tany Egypta ny vahoaka tamin’ny fanjakana teo aloha, ka rehefa afaka tamin’ny lalan-tsarotra dia misy ny zanak’ondry tsy misy kilema natao sorona izay fomba malaza kristiana.

Isaky ny 01 Novambra izany ny koban’ondry teny am-piandohana saingy niova ho isaky ny pentekosta, nanomboka tamin’ny 1945 satria ireo vohitra hafa manodidina an’i Lazaina dia samy manao ny fivoriana avokoa isaky ny 01 Novambra, toa an’Ambatofotsy, Ambohitrantenaina; Soavinimerina. Ny mponina ao an-tanàna no miantoka ny vary amin’ny koban’ondry, ka ny  fotoanan’ny Pentekosta no mifanojo amin’ny fararano fiakaran’ny vary.

Ny koban’ondry raha tsorina dia  “Paté” avy amin’ny hen’ondry. Teo aloha, dia nisy ny antsoina hoe koban’ondry santatra izay zaraina amin’ny fomba ofisialy, ka ireto avy no mahazo izany :

-          ireo zaza teraka tao anatin’ny herintaona, taorian’ny koban’ondry farany, izay midika ho fidirana amin’ny fomba ofisialy ho zanak’i Lazaina;

-          ireo mpivady vao nampiakarina ihany koa satria mety tsy ho zanak’i Lazaina ny iray amin’ireo mpivady ireo;

-          ankoatr’ireo dia tolorana ny koban’ondry ihany koa ny solontenam-panjakana izay natao mpiahy ny koban’ondry;

-          ireo lehilahy 70 taona mihoatra ka mipetraka ao Lazaina;

-          ireo mpitondra fivavahana ary ireo solontena avy amin’ireo vohitra enina misy ny zana-dRalambo, io ilay antsoina hoe “koban’ondry fihavanana

 

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-05-02.

Miverina
footer-frame