VELOMA DADA HAVAKO

Hira noforonin’i Raymond Razafimbahiny na i RR Majunga. Ny mpamorona ihany no nitendry ny piano nanaraka ny hira fa I Mily kosa no nikalo. Ity hira ity dia nataony mba hanomezam-boninahitra ny fahafatesan-drainy. Anisan’ny maty tanora ihany I RR Majunga satria 45 izy no nandao ny fiainana. Tsy maty tao am-pon’ny artista maro ny sanganasany ka maro ireo namelona azy taty aoriana. Nampahatsiahy ny sanganasany I Silo ny taona 1995, Tamin’ny 1999 koa dia nanao fampisehoana ahatsiarovana an’I RR Majunga ny artista maro. Ankehitriny ny zanak’I Raymond Razafimbahiny  dia nanangana tarika izay mamelona ny sanganasany. Raivo no anaran’ny tarika ary ny zanany vavy anankiroa Maggy sy Lydia Razafimbahiny no anisan’ny mpikambana ao anatiny. Any Canada any izy ireto no monina. Efa misy rakikira CD anankiroa navoakany ka nampidirany ny hiran’I RR Majunga.

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-05-02.

Miverina
footer-frame