NY FIFALIANA RY LAHY

Razafimahefa no namorona ity hira ity ary nampihirainy ny “Mpilalao de Feonoarivo”. Ny hira noforonin-dRazafimahefa dia tena hafa mihitsy amin’ireo hira gasy teto ankibon’Imerina. Nisy vehivavy antsoina hoe Razafindratavy Agnès tao amin’ny mpihira gasy teny Fenoarivo ity. Nahatratra 111 taona io ramatoa io.  Marihina moa fa efa nitondra ny anarana hoe Razafimahefa Betsinjaka koa ity tarika ity ka “Neny Betsinjaka” no anarana nentin’i Ramatoa Agnes tao anatiny. Miavaka dia miavaka mihitsy ny feon’io vehivavy io ary heverina ho tsy nisy mpanana sy mpandimby mandrak’akandroany. Efa nivoaka kapila 78T, Decca,  ity hira ity ary ny taona 1997 dia navoakan’i Henri Lecomte, tao anatin’ilay rakikira «Anthologie 1929-1931» , nahitana ny karazan-kira  notsongaina, nisy teto Madagasikara nandritra ireo vanim-potoana ireo.

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-05-02.

Miverina
footer-frame