MIZARA MANDRAY ADIDY SY ANDRAIKITRA

Lohahevitra anankiroa mifamatotra amin’ny fiainan-janak’olona sy ny ny fampirindrana ny fiaraha-monina ny « adidy » sy ny « andraikitra ». Matetika anefa, noho ny hasarotam-piainana na noho ny fitiavantenantsika dia iniana tsy raharahaina ny fanamasinana azy ireny.

Mba hifankaherezana amin’ny adidy sy andraikitra tsy maintsy tontosaina eo anivon’ny fianakaviana na ankohonana na ny fiaraha-monina mihitsy dia hoy ny fitenintsika hoe :

Ny adidy tsy an’olon-dratsy.

Na amin’ny teny aloaky ny vava aza dia nameramperan’ny Ntaolo razantsika mba hanaraka ny fitsipiky ny “fanahy no olona”, dia ilay fitadiavana ny antonony hatrany. Ny vava no tsy atao be hono, ny mamerina azy no tsy tanty satria:

Ny vava ratsy adidy, ny teny soa sakafo.

Raha sendra mihoatroa-bava tokoa noho ilay fo ranomafana dia mety hanafintohina izay iantefany. Isika Malagasy anefa tena mararirarin-teny tokoa. Na ny Mpanjaka Andrianampoinimerina aza, noho ny fahalalany ny mety ho fisaraham-bazana vokatry ny teny tsy voahevitra dia nilaza hoe raha nikabary:

Aza manao anaty fo maharary.

Ny teny tokoa, raha heverina hoe ny saina no iantefany (satria mihevitra ny dikany izay maheno) dia mety haningotra ny atifon’izay mahatsiaro ho voatsindrona. Hitantsika tsara tamin’ny “krizy” maro nifandimby teto amin’ny Firenena fa misy teny masiaka tsy adinon’izay naheno azy, ary matetika koa ireny teny masiaka nataon’ny mpanao pôlitika tamin’izay nifanandrina taminy ireny,  no niteraka ny firodanan’ny fanjakana.Nentina nitaizana ny vahoaka mandrak’androany ny teny mahery sy ny vava ratsy. Adidy mavesatra ho an’izay nahatafavoaka azy ireny, satria ny vokany dia ny firenena sy ny fiandrianany mihitsy no nidaraboaka  fa tsy nijanona tamin’ny ady pôlitikan’ireo mpifanandrina.

Hoy ny fahendren-drazantsika hoe:

Raha ny rano no taitra maharava fefiloha, fa raha ny fo no taitra maharava fihavanana.

Eo no anasan’ny Ntaolo antsika hahalala ny adidy sy ny andraikitra amin’ny fitondran-tena amin’ ny ankapobeny. Zava-masina ho an’ny Malagasy loatra ny fihavanana ka tokony ho arovana toy ny anak’andriamaso. Ny olom-banona dia mandinika ny fihetsika sy ny teny ataony mba tsy hanakorontana ny fiaraha-monina na hanao izay hanafintohina ny hafa. Mila olom-banona ny firenena Malagasy. Ilay olom-banona mitsimbina ny tenany aloha voalohany indrindra ka tsy mihoatroa-bava manala-bara-tena, avy eo ilay olom-banona mifampitsimbina amin’ny mpiara-belona aminy ka tsy:

Faly am-panaovan-dratsy toa mpamosavy.

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-05-02.

Miverina
footer-frame