NY MAHASOA NY BESINIMARO SY FAMPANDROSOANA NY FIARAHA-MONINA

Manoloana ny krizy atrehina noho ny valan’aretina coronavirus, dia tsy afaka am-bavan’ny olona ny hoe tokony hiverina amin’ny fihavanana sy ny soatoavina isika Malagasy. Amin’ny vanim-potoana toy izao no tena ilana ny fiaraha-mientana sy ny firaisan-kina. Voalohany indrindra aloha dia tena tsy mba mpitoka-monina izany ny Malagasy; Hatramin’ireo efa nodimandry aza mbola lazainy fa te hana-namana ka hoy ny ohabolana hoe:

“Ny maty aza te ho maro”

Miainga avy amin’ny fitsimbinana ny tena mankany amin’ny fitsimbinana ny hafa na ny namana ny fikatsahana ny mahasoa ny besinimaro. Ny Ntaolo razantsika dia nanao ny valin-tanana, fototry ny fihavanana, mba ahazoana mitsimbina ny daholobe ao anatin’ny fiaraha-monina.

Tamin’ny andron’Andriamasinavalona ohatra dia nanao ny fanajariana ny lemaka izy mba hitarihan-drano ahazoan’ny rehetra tombotsoa iombonana tamin’ny fambolena vary aloha. Tsy nahomby firy io satria tondraka foana ny rano. Teo no nivoahan’ny oham-pitenenana hoe

Vonjy rano vaky

 Nitady hevitra hafa kosa Andrianampoinimerina ka nanao fefiloha ny Ombalahibemaso, ary tamin’ny andron’izy sy Ilaidama no nanaovana lahin-drano ho fampidiran-drano  ho an’ny toerana saro-drano sy vavin-drano hanamainana ny lemaka tsy mety ritra. Niara-nisalahy nanao fefiloha ny olona tamin’izany satria,

Ny asa vadi-dano, tsy vita tsy hifanankonana

Tsy hita intsony itony karazana firaisan-kina itony amin’izao androntsika izao satria tsy nisy nampita tamin’ny taranaka fara-mandimby sady efa nosoloana rahateo ny fiolonolonana, toetra notahafina tamin’nny mpanajanantany, izay nanamafy ny zarazarao hanjakana koa alao hery ary fa sao tratry ny hoe:

Mieritreritra atao indray miserana ka nony manenina mandavan-taona

"Meteza ho olom-pirenena vanona", Ramasinirina



Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-05-02.

Miverina
footer-frame