Hevitra iraisan’ny Firenena mandala ny Demokrasia eran’izao tontolo izao
ny hoe « antoka iray mampirindra ny fiaraha-monina ny fahalalan’ny
olom-pirenena ny andraikiny ». Ny andraikitra, izay voafaritra fa
« adidy na fehy mamatotra ny olona hanao na tsy hanao (raha voararan’ny
lalàna) zavatra anankiray ». Farafaharatsiny anefa dia mahalala ny adidiny
sy mahay mifanaja ary mandray anjara amin’ny fiainam-pirenena ny olona iray vao
tena tonga olom-pirenena vanona.
Raha ny tantaran’i Madagasikara no arahina,
tsy tokony ho hevi-baovao ho an’ny olom-pirenena Malagasy ireo rehetra ireo.
Ny adidy tsy an’olon-dratsy
Ohabolana diso haintsika
loatra io eo ambony io. Nampiasain’ny Ntaolo razantsika mba hamporisihana
antsika raha mitady hidify ny andraikitra ka tsy hanefa ny adidy na kamokamo
noho ny fitadiavana tombotsoa manokana.
Tamin’ny andro
nitondran’Andrianampoinimerina, mba hampilamina ny tany, dia nomeny adidy ny
olona. Nataony ho andraikitry ny fokonolona mihitsy ny miady amin’ny
karazan-jiolahy toy ny mpijirika sy ny
mpangalatra ary ny mpandroba.. Hoy ny Ombalahibemaso
:”Tsy mahazo mitoe-poana miharitra ny hadalan’ny
mpanao ratsy ny vahoaka fa tsy maintsy miara-misalahy hanafoana ny fijirihana
sy ny fandrobana” ary “Raha adala dia raharahan’ny ambanilanitra ny manosika
azy fa tsy mampandry ny tany sy ny fanjakana”
Ity karazan’adidy nanaovan’
Andrianampoinimerina teny hentitra ity, dia
iraisan’izao tontolo izao satria na tany aiza na tany aiza ary na
fitondrana inona na fitondrana inona dia miady amin’ny asan’ny mpanao ratsy
avokoa. Raha fehezina ity adidy voalaza
ity dia tsy inona fa ny fiaraovana ny tanindrazana mba tsy hanjakan’ny ratsy.
Fa anisan’ny nandidian’Andrianampoinimerina ny
vahoaka koa ny tsy maints hiasany. Noraisin’ity Mpanjaka ity ho “adidy” aloha
ny namatsy fitaovana ny tsy ampy fivelomana, tamin’ny fanomezana azy angady
isan’olona. Adidy miteraka adidy anefa io fanomezana io satria nanery ny olona
hiasa
“Tsy misy mana-maina” hoy Andrianampoinimerina ary “Mba
miasa hanana”
Mifanandrify amin’ireo
tenin’ny Mpanjaka ireo, ireto ohabolana manaraka ireto:
“Tongo-dava ahitan-kanina”
“Toto vary tsy vita tsy an-daona”
Ramasinirina