toy izao ny famataran'ora ampiasain'ny Radio Feon'Imerina.
Amin’ny
6 ora maraina |
Mifoha
olona |
Amin’ny
7 ora maraina |
Maim-bolon-dravina na mipoak’andron-dolo |
Amin’ny
8 ora maraina |
Mivoak’omby |
Amin’ny
9 ora maraina |
Mivoak’omby
tera-bao |
Amin’ny
10 ora maraina |
Misandratr’andro |
Amin’ny
11 ora antoandro |
Antoandrobenanahary |
Amin’ny
12 ora antoandro |
Mitataovovonana |
Amin’ny
1 ora tolakandro |
Mitsidik’andro |
Amin’ny
2 ora tolakandro |
Tafalatsaka
ny andro |
Amin’ny
3 ora tolakandro |
Ampamatorean-janakomby
na ampitotoam-bary ny andro |
Amin’ny
4 ora tolakandro |
Ambavafisoko
ny andro |
Amin’ny
5 ora hariva |
Tafapaka
ny andro;mena masoandro |
Amin’ny
6 ora hariva |
Maizim-bavavilany/tsy
ahitan-tsoratr’omby/tsy ahita-mitsinjo |
Amin’ny
7 ora hariva |
Manokombary
olona |
Amin’ny
8 ora alina |
Homam-bary
olona |
Amin’ny
9 ora alina |
Mandry
olona |
Amin’ny
10 ora alina |
Tapi-mandry
olona;mivoaka ny mpamosavy |
Amin’ny
12 ora alina |
Misasak’alina |
Amin’ny
1 ora maraina |
Mamatonalina |
Amin’ny
2 ora maraina |
Mihoraka
ny sahona |
Amin’ny
3 ora maraina |
Maneno
tokana ny akoho/misafo helika ny kary |
Amin’ny
4 ora maraina |
Maneno
akoho |
Amin’ny
5 ora maraina |
Mifoha
olo-mazoto |