Resahina etoana ny mikasika ny faritanin’Antananarivo sy ny mpitondra nifanesy tao.
Raha ny velaran-tany dia fahadimy alohan’ny farany, ny faritanin’Antananarivo (58 283 km2). saingy voalohany kosa eo amin’ny isan’ny mponina. Loha-laharana ihany koa eo amin’ny fampandrosoana ny firenena satria mpampiditra hetra be indrindra eo amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Ahitana ny karazan’olona rehetra ny faritanin’Antananarivo kanefa araka ny antontan’isa dia sahabo ho ny sivy folo isan-jaton’ny mponina eto dia zanak’Imerina avokoa(DIAL ORSTOM 1996).
Niovaova araka ny vanim-potoana ny rafitra nitondrana ny faritanin’Antananarivo.
TAMIN’NY FAHA MPANJAKA
Ny anarana hoe « Imerina » no tena niasa tamin’ny faha mpanjaka. Andriamasinavalona no nanomboka ny famoriana an’Imerina, tamin’ny androny no nisy ny Imerina efa toko, nahitana an’Avaradrano, Ambodirano, Vakinisisaony ary Marovatana.
Ny renirano no nataony famaritana, Andriamasinavalona rahateo no nanomboka ny fananganana ny fefiloha…
Andrianampoinimerina indray no namory an’Imerina enin-toko ka ireo efatra voalaza teo aloha niampy an’i Vonizongo sy Vakinankaratra. Io tarehimarika enina io no voalaza fa nihitatra hatrany Itasy sy Bongolava Imerina ary manana fiaviana Merina avokoa ny ampahany betsaka eo amin’ny mponina.
Rehefa lasan’ny vazaha ny fitondrana ny tany sy ny fanjakana dia rava ilay rafitra Imerina enin-toko. Taty aoriana indray tamin’ny fotoana nametrahana ny « Loi cadre » dia lasa faritanin’Antananarivo ilay faritra Imerina fahiny.
TAMIN’NY REPOBLIKA VOALOHANY
Rehefa niverina ny fahaleovantena tamin’ny taona 1960 dia ilay fizarana ho faritany enina napetrakin’ny « loi cadre » no nihatra. Faritany iray Antananarivo ary nahitana fileovana efatra dia 1) Antananarivo Renivohitra nisy ireo boriborintany enina amin’izao fotoana izao, 2) ny fileovana faharoa dia Imerina Afovoany ahitana ireo ivelan’Antananarivo Renivohitra ao amin’ny faritra Analamanga ankehitriny, 3)ny fileovana fahatelo dia Vakinankaratra ahitana ireo ao anatin’io faritra io ankehitriny ary 4) ny fahefatra dia ny fileovan’Itasy izay ahitana ny faritra Itasy sy Bongolava ankehitriny.
Lehiben’ny faritany notendren’ny fitondram-panjakana no nifehy ny faritany, Andriamirado Abdon no voalohany ary nosoloana an’I Rakotoniaina Jean Jacques taty aoriana, izay nitondra hatramin’ny volana Mey 1972.
Nony nahazo fahefana ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel ny 18 Mey 1972, dia ny Komanda Razafintsalama Raymond no lehiben’ny faritanin’Antananarivo. Rehefa nahazo fahefana feno ny Kolonely Ratsimandrava Richard tamin’ny 05 Febroary 1975 dia ny Lietna Kolonely Ratsimbazafy Rémi no lehiben’ny faritany ary nitondra ny anarana ho Governora miaramila miadidy ny faritanin’Antananarivo izy taorian’ny toe-draharaha nahafaty ny Kolonely Ratsimandrava.
TAMIN’NY REPOBLIKA FAHAROA
Niova ny lalam-panorenana tamin’ny Repoblika faharoa foana ny fileovana, ary ny fivondronam-pokontany 14 no nasolo izany teto amin’ny faritanin’Antananarivo.
Ny filohan’ny komity mpanantanteraka no tomponandraikitra voalohany teto amin’ny faritany. Olomboafidy ny filoha saingy tsy fidian’ny vahoaka mivantana fa ireo olomboafidy avy any amin’ny fivondronam-pokontany no mifidy azy. Anankiroa ireo filoha nifandimby dia Rakotoarivelo Jonah sy Ramahatra Rolland. Taorian’ny fihetsehana tamin’ny 1991 dia nofoanan’ilay fifanarahana natao teny amin’ny Panorama Andrainarivo tamin’ny 31 Oktobra 1991, ny komity mpanantanteraka ary nosoloana Delegasiona manokan’ny faritany.
TAMIN’NY REPOBLIKA FAHATELO
Na dia efa nijoro aza ny Repoblika fahatelo dia naharitra ela teo amin’ny fitantanana ny faritany ny Delegasiona manokana, satria tsy nahatsangana rafitra ny fitondrana notarihan’Ingahy Zafy Albert, Ingahy Ratsiraka indray nony tafaverina teo amin’ny fitondrana tamin’ny taona 1997 dia nampanao fitsapan-kevi-bahoaka mametraka ny faritany mizaka tena, kanefa tsy nijoro koa io rafitra io raha tsy tamin’ny taona 2001. Ny rafitra delegasiona manokana no nitondra nandritra ny folo taona. Rasolonjatovo Daniel no filoha voalohany izay maty amperin’asa, nosoloan’I Raobelison Aimé ary Rafalimanantsoa Jean Claude no teo farany tamin’ny taona 2001 nipetrahan’ny rafitra vaovao, dia ny faritany mizaka tena.
Governora no anarana nentin’ny tomponandraikitra voalohany teo amin’ny faritany mizaka tena.
Olom-boafidy ny governora saingy tsy nofidian’ny vahoaka mivantana fa ireo olom-boafidy no mifidy azy. Rakotomavo Pascal no voafidy tamin’izany. Noho ny fihetsehana tamin’ny taona 2002 dia niova indray ny rafitra ka delegasiona manokana indray no nitondra ny faritany mizaka tena. Ny Jeneraly Razakarimanana Ferdinand no voatendry ho filohan’ny delegasiona manokan’ny faritanin’Antananarivo. Ny volana jolay 2004 dia Rakotomalala François Emile no voatendrin’ny fitondram-panjakana
Taorian’ny fitsapan-kevibahoaka notanterahana ny volana Aprily 2007 dia niova ny lalam-panorenana, tsy misy ny faritany ary lasa faritra 4 ny faritany teo aloha dia Analamanga, Vakinankaratra, Itasy, ary Bongolava, na izany aza anefa dia misy ireo asa tsy maintsy sahanin’ny faritany teo aloha Nisy ireo Lehiben’ny faritra notendrena saingy nosoloina avokoa ireo taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009.
REPOBLIKA FAHA EFATRA
Ny lalampanorenan’ny Repoblika fahaefatra dia namerina ny faritany 6, izay mandrakotra ny faritra 22. Mbola mety hiova anefa ireo rafitra ireo taorian’ny fifidianana ho filoham-pirenena farany teo (2018).
Na inona na inona anefa ny rafitra vaovao ajoro, dia tsy ho foana miaraka amin’ny rafim-panjakana ny faritra ara-tantara sy ara-boanjanahary izay natsangan’ Andriampoinimerina 200 taona mahery izay, dia ny ‘Imerina enintoko” mampikambana ireo faritra efatra (Analamanga, Bongolava, Itasy ary Vakinankaratra) mandrafitra ankehitriny ny faritanin’Antananarivo.
Ny faritanin’Antananarivo no mampiditra hetra mivantana be indrindra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana noho ny fisian’ny orinasa maro sy mponina maro indrindra. Ny olona no harena voalohany azo antenaina hitondra fampandrosoana, ary manankarena olona I Antananarivo.
Manana andraikitra ireo ho mpitantana ny faritra efatra (Analamanga, Itasy, Bongolava, Vakinankaratra) hanambatra ny hery sy ny fahaiza manao, hifanakalo traik’efa sy hifanampy araka izay azo atao mba hisian’ny fiaraha-mivoatra satria tsy misy hafa isika fa samy tokony hahazo tombony avy amin’ny hafatry ny Ombalahibemaso manao hoe “tsy adidiko izaho irery fa adidiko izaho sy ianareo”.
IREO DISTRIKA ETO ANTANANARIVO:
1. Distrikan'Ambatolampy
2. Distrikan'Ambohidratrimo
3. Distrikan'Andramasina
4. Distrikan'Anjozorobe
5. Distrikan'Ankazobe
6. Distrikan'Antananarivo-Atsimondrano
7. Distrikan'Antananarivo-Avaradrano
11. Distrikan'Antananarivo-Renivohitra
12. Distrikan'Antanifotsy
13. Distrikan'Antsirabe II
14. Distrikan'Antsirabe
15. Distrikan'Arivonimamo
16. Distrikan'Betafo
17. Distrikan'Faratsiho
18. Distrikan'Fenoarivobe
19. Distrikan'Manjakandriana
20. Distrikan'Miarinarivo
21. Distrikan'Soavinandriana
22. Distrikan'Tsiroanomandidy
[Torotoriravina] [Tsiahy]